airtel

Fampianarana

04-août-2022

Fampianarana

Mpandraharahan’ny oniversite Olana hatrany amin’ny 2010 no novahana

Sample post image

Anisan’ny manana olana hatrany ireo mpandraharahan’ny Oniversite na PAT (Personnel Adminisitratif et Technique) hatrizay,

04-août-2022

efa hatrany amin’ny 2010, ka anisan’ny olan’izy ireo ny tsy fandoavan’ny Oniversite ny karama ara-dalàna, indrindra ny tsy fandoavana ny latsakemboka hahazoahan’izy ireo misitraka ny fisotroan-dronono any aoriana. Nitady vahaolana maharitra sy marin-toerana ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPRES), dia ny fampidirana azy ireo ho lasa mpiasam-panjakana. 3000 mahery izy ireo, ary tsy hanana olana intsony amin’ny fisotroan-dronono satria dia afaka misitraka izany toy ireo mpiasam-pajakana rehetra, raha ny fanazavana azo. Ankehitriny, mahatsapa ny MESUPRES fa namaha olana an-taonany maro tsy nisy mpiraharaha, kanefa toa hiniana volena ny grevy, mba hanonkarontana na efa misy aza ny firesahana, tsy hay hoe iza indray no ambadika izao, hoy ny loharanom-baovao avy amin’io Minisitera io. Raha ny fanazavana azo moa, efa hatao « edition spéciale”, tsy manaraka “procedure” toy ny ny an’ny rehetra ny PAT, ka tokony mba hiandry am-pilaminana, hoy ny mpiahy. Noho io “édition spéciale” io, tsy natao hiandry roa na telo volana toy ny mpiasam-panjakana rehetra rehefa miditra “fonctionnaire” sy ao anaty “budget général” ny PAT, natao “gguichet unique” ny fandraisana azy. Miara-misalahy ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola, nivoaka ny alarobia teo ny lalàna mifehy ny teti-bola nasiam-panitsiana ary nanaraka izany ny didim-panjakana mamaritra ny sora-bola natokana ho an'ny ministera tsirairay ary tafiditra ao anatiny ny karaman'ny PAT oniversite sy ny CROUA. Ny ministera ankehitriny no namerina ny « indemnité de technicité” izay mitsinjo ny tombotsoan'ny PAT rehetra ary mbola nampiditra azy ireo amin'ny “budget général” izao, hoy ny fampahatsiahivana. Ireo tombotsoan'ny PAT izay nositrahany tao anaty karama nefa ny oniversite no miandraikitra azy dia hijanona ao amin'ny oniversite ihany ny fandoavana azy. Ireo tombotsoa anaty vatan-karama hitovizan'ny mpiasam-panjakana rehetra sy ny “indemnité de technicité” kosa dia hijanona ao anaty “budget général”, hoy ny fanazavana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap
22-avril-2024

Tena mahatsiaro sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra indrindra

Card image cap