airtel

Fampianarana

06-avril-2022

Fampianarana

Mpandraharahan’ny Onivesrite Ankatso Nivaly tamin’ny ampahany ny fitakiana

Sample post image

Nitohy tamin’ny grevy faobe nitaky ny karamany sy ny tombotsoany ireo mpandraharahan’ny Oniversiten’Antananarivo na ny PAT (personnel administratif et technique).

06-avril-2022

Ny andron’ny alatsinainy teo no efa nanakan-dàlana sy nandrehitra afo, ary nitohy omaly ny grevy, nifanindran-dàlana tamin’ny hetsika nataon’ny mpianatra. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ny tompon’andraikitra mahefa, voalaza fa nandray ny karama volana marsa ny PAT omaly hariva, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny PAT Rakotoson Pierre, araka ny tatitra nataon’ny fampahalalam-baovao samihafa. Hialana amin’ny korontana, tokony hitondra fanazavana hatrany ny Minisitera voakasika, hoy ny mpandraharaha. Misy amin’ireo mpiasa no efa nandray vola. Ny marain’ny omaly mantsy no nandraisana ny vola teny anivon’ny Paositra, rehefa nanandeha ny fanafainganana. Ny tapany hariva kosa ho an’ny mandray izany amin’ny banky, hoy ny tatitra. Nilaza kosa ny PAT fa mbola tsy nahazoana valiny mazava ny fitakiana ny tambin-karama volana novambra sy desambra farany teo. Noraisin’ny Fiadidiana ny Oniversite ny fikarakarana ny fanafainganana ny antontan-taratasy famoahana izany tambin-karama izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap