tsy navelan’ny mpandraharaha nivoaka ny faritra ny Oniversite ny mpanolontsaina ara-teknika an’ny minisitera izay avy any an-toerana. Nidinika tamin’ny mpandraharaha, saingy tsy namaly azy mazava, ka tezitra ireo PAT. Isan’ny tsy eken’izy ireo ny fampihenenana ny karama manodidina ny 20%, ny karama septambra hatramin’ny omaly kanefa efa mahazatra ny lamina isika ny faha-20 volana, ny “indemnité de téchnicité”,…. “Ianao tsy miala eto raha tsy misy vahaolana mivoaka eto”, “Tsy maintsy maintsy manao fanambarana ofisialy eto ianao androany. Tsy miala eo ianao”,… hoy ireo PAT. Nilaza ho efa in-telo nampanantenaina fa hodinihina ao amin’ny filankevitry ny minisitra ny fitakian’izy ireo, saingy tsy misy valiny, ary mahatsapa ho tsy raharahiana. Nanamafy ireo mpandraharahan’ny Oniversite, fa hetsika madio tsy misy ambadika politika ny azy ireo. “Mitaky ny famerenana ny karamanay izay notsoahina izahay”, hoy ny mpiasa. Nilaza hanamafy ny tolona ny PAT, ary tsy hiasa raha tsy mivaly ny fitakiana na efa tapaka tao anatin’ny fivorian’ireo filohana anjerimanontolo na “COPRIES” fa ny 4 oktobra ny fidirana.
Toky R