airtel

Fampianarana

22-janv-2025

Mpiadidy ny fampandehanan-draharaham-panjakàna

Mba miandrandra fankasitrahana ihany koa

Sample post image

Sady nitsiriritra no mba miandrandra fankasitrahana ihany koa taorian’ny fankasitrahana ireo

22-janv-2025

mpiasan’ny ladoany miisa 8 nisitraka hatrany amin’ny 17 tapitrisa Ariary noho ny voalaza fa fahatraran’izy ireo mpanao trafikana harena voajanahary teny Ivato amin’izao fotoana izao ireo mpiadidy ny fampandehanan-draharaham-panjakàna na mpiasam-panjakàna, raha ny marimarina kokoa, araka ny antsoantson’ny maro tamin’izy ireo tao anatin’ny fandaharana Bemiray an’ny Top Radio, 102.8 FM ny marainan’ny omaly. Tsy vao izaho, hoy ny fanehoan-kevitr’izy ireo, no nisy nahatratra trafika na nisy trafika teo anivon’ny ladoany. Ireny no tra-tehaka fa mbola mampametra-panontaniana izao hoe ahoana ny mikasika ireny nivadika vy tao amin’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany ireny nefa ny praiminisitra mihitsy no niandraikitra ilay minisitera tamin’izany fotoana izany? Toy izany koa ilay volamena 73,5kg na ireo raharaha andramena sy voamboana tamin’ny tetezamita 2009 hatramin’ny 2013. Ny mpiasan’ny Ladoany irery ve no antsoina hoe mpiasam-panjakàna ary ny mpiasan’ny Ladoany irery ve izany no antsoina hoe niasa, hoy hatrany ny isan’ny fanontaniana apetrak’ireo mpiasam-panjakàna sy olompirenena naneho hevitra?
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique