tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fampianarana

Mpiadina bakalora ao Alasora Manome “cours” maimaimpoana ny kaominina

Laharam-pahamehana ho an’ireo kaominina sasany ny sehatry ny fanabeazana indrindra fa ny fampiakarana ny

08-mars-2023

Sample post image

voka-panadinana isan-taona ho an’ireo tanora mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny BEPC sy ny Bakalorea. Voakasik’izany manokana ny kaominina Alasora izay miezaka hatrany manampy ny Ray aman-dReny sy ny mpianatra raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy. Taorian’ny fivoriana notanterahin’ny Structure Locale de Concertation na ny SLC eo anivon’ity kaominina ity dia tapaka fa hisy ny fikarakarana cours maimaim-poana ho an’ireo tanora mpianatra monina ao Alasora na aiza na aiza manovo fahalalana ka hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC sy Bakalorea. Ho an’itsy fanadinana voalohany dia fantatra fa mpianatra miisa 500 no efa nisoratra anarana. Efa nanomboka tamin’ny Sabotsy faran’ny volana Febroary teo kosa ny cours ka ao amin’ny CEG Alasora no hanaovana izany isaky ny andro Sabotsy. Mikasika ny cours ho an’ireo mpanala Bakalorea kosa indray dia hanomboka amin’ny volana Aprily na May ny fampianarana. Mbola mitohy hatrany noho izany ny fisoratana anarana ho an’ireo izay liana amin’izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Mpianatry ny ESPIC sy ny ISDE Hanampy ny tanora hiala amin’ny rongony sy ny fivarotan-tena
01-juin-2023

Mirongatra sy mahazo vahana ankehitriny ny fandraisan’ireo tanora zazalahy sy zazavavy rongony raha toraka izany ihany koa ny resaka fivarotan-tena eto amintsika.

Voir plus