airtel

Fampianarana

17-juil-2023

Fampianarana

Mpiadina bakalorea ao Ambohimanarina

Sample post image

Nomen’ny depiote Todisoa toromarika sy firarian-tsoa

17-juil-2023

Tontosaina eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara manomboka anio 17 jolay ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Ny 17-21 jolay ho an'ny sokajy ankapobeny, ary ny 17-24 jolay ny an'ny sokajy teknika. Miisa ho 215 630 ireo mpiadina manerana ny Nosy, izany hoe niakatra 12,5%, raha oharina amin’ny isan-taona. Samy nanana ny fomba nentiny nanomana izany ireo mpiadina, fa raha ho an'ny teny amin'ny boriborintany fahaenina eto Antananarivo Renivohitra, dia nisy ny "cours" maimaimpoana sy fizarana « polycopies » maimaimpoana nataon'ny Depiote Todisoa Andriamampandry nandritry ny 3 volana ho an’ireo zanak’Ambohimanarina tsy an-kanavaka. Hetsika fanaony isan-taona ho fanohanana ny tanoran’Ambohimanarina, ka tao amin'ny ICM Antsararay Ambohimanarina no nanatanterahana izany. Tanora hatrany amin'ny 700 isa no nisitraka ity tan-tsoroka ity. Tonga nitso-drano sy nanome toromarika ireo mpanala fanadinana Bakalorea ny tenany ny zoma lasa teo, andro faran’ny faradoboka mialohan’ny bakalorea. "Mirary soa sy fahombiazana ho an’ny mpanala fanadinana bakalorea rehetra manerana ny Nosy, ary mitondra am-bavaka anareo", hoy io solombavambahoaka io. Niarahaba ihany koa ireo afaka fanadinana BEPC rehetra ary mankahery ireo izay tsy afaka. Tsara rahateo ny mampahatsiahy, fa samy nisitraka "cours" maimaimpoana avy amin'io solombavambahoaka io na ireo nanala BEPC na ireo miatrika bakalorea.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Tontosa ny 14 may teo ny varavarana misokatra ho an’ny oniversiten’i Vakinankaratra,

Card image cap