airtel

Fampianarana

06-juil-2023

Fampianarana

Mpianatra 30 mianadahy hanala bac Nanjavona ilay mpampanao « cours », tsy azo ny “convocation”

Sample post image

Ilana fahamailoana amin’izao ireny mpampanao cours marobe isaky ny elakelan-trano ireny indrindra fa ireo mampanao « candidat libre »

06-juil-2023

ny mpianatra ary milaza ho mahavita mikarakara ny antontan-taratasy rehetra mifandraika amin’izany. Mpianatra 30 mianadahy hiatrika ny fanadinana bakalorea no fantatra fa lasibatr’izany ao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra. Voafitaka avokoa izy ireo raha araka ny vaovao voaray. Nanjavona tsy hita intsony mantsy ilay mpampanao cours. Ankoatra izay dia lasany avokoa ny antontan-taratasin’ireo mpianatra niaraka tamin’ny saram-pianarana. Tsy nahazo taratasy fiantsoana na « convocation » izy ireo noho izany hany ka mihahaka tanteraka no sady very herintaona, raha sanatria ka tsy mahita vahaolana. Raha araka ny fampitam-baovao azo moa dia efa fantatry ny ZAP sy ny DREN any an-toerana io trangan-javatra io koa andrasana izay fepetra mety horaisin’izy ireo miaraka amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika.
(Sary fanehoana)
Pati

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Tontosa ny 14 may teo ny varavarana misokatra ho an’ny oniversiten’i Vakinankaratra,

Card image cap