airtel

Fampianarana

06-mai-2025

MPIANATRA 5 MATY TANY MAHAJANGA

Nifona ireo mpanabe, hatsangana ny tsangambato fahatsiarovana

Sample post image

Manoloana ilay tranga nahafatesana ankizy mpianatra 5 mianadahy nandritra ny dia fibeazana

06-mai-2025

nataon'ny mpianatry ny Lisea Manjakandriana tany Mahajanga ny 22 Aprily teo dia nisy ny fihaonana teo amin'ny Ray aman-drenin'izy 5 mianadahy sy ireo Mpanabe, natrehan'ny Lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana sy ny lehiben’ny distrika, ary ny Ben'ny tananan’i Manjakandriana, ny faran’ny herinandro teo. Nitaky ny nilazan'ireo Mpanabe izay zava-nitranga marina nandritra ny dia fibeazana ny Ben'ny tanana. Hanampy amin'ny fanamorana ireo antontan-taratasy rehetra mikasika ny fiantohana na ny Pascoma ny Distrika sy ny fari-piadidiam-pampianaran’i Manjakandriana. Nandray ny fifonan'ireo Mpanabe ny Ray aman-dreny ary tapaka fa hanangana tsangambato ao amin'ny Lisea Manjakandriana izy ireo ho fahatsiarovana azy 5 mianadahy. Hamono omby ao amin’ny lisea Manjakandriana ihany koa ho famafana ireo ratsy rehetra nifamahofaho tao amin'io toerana io. Naverina ny saran-dalan'izy 5 mianadahy nandritra izany ary nanome toky ny Proviseur vaovao fa hanatanteraka antsakany sy andavany ireo asa sy andraikitra manandrify azy ireo.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana ! 

Dans la même rubrique

03-juin-2025

Raha efa tapitra nampiakatra ny sara-pisoratan'anarana sy ny saram-pianarana aloha

Card image cap
03-juin-2025

Apetraka ho isan’ny zava-dehibe, indrindra, amin’ny lafiny fahasalamana ny resaka

Card image cap