Voakasik’ity fanambarana ity avokoa ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Araka ny vinavinan’ny toetr’andro voalazan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, hoy ny voalaza, dia voasokajy anaty faritra maitso ny faritra Analamanga. Hiditra anio alina an-tanety (TTF: omaly alina) ilay rivodoza Freddy. Noho izany, ho fiarovana ny ain’ny zaza malagasy dia mandray izao fanapahan-kevitra manaraka izao ny fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena eto Analamanga. Hiato ny fampianarana ho an’ny mpianatra rehetra amin’ny ambaratonga garabola, ambaratonga fototra, ambaratonga faharoa, lisea eo anivon’ireo fari-piadidiam-pampianarana miisa 8 eto amin’ny faritra Analamanga ny alarobia 22, Alakamisy 23, zoma 24 febroary: Antananarivo renivohitra, Antananarivo atsimondrano, Antananarivo avaradrano, Ambohidratrimo, Andramasina, Anjozorobe, Ankazobe ary Manjakandriana. Hiverina mianatra kosa ny mpianatra rehetra ny alatsinainy 6 martsa 2023. Marihina moa fa ny alatsinainy 27 febroary hatramin’ny zoma 3 martsa 2023 dia fotoam-pialantsasatra, araka ny tetiandrom-pampianarana. Natao izao fanapahan-kevitra izao mba hitsinjovana sy hiarovana ireo mpianatra amin’ireo loza maro samihafa mety hitranga ary manentana hatrany hanaraka ny vaovao tsy tapaka sy ny fivoaran’ny toetr’andro araka ny zava-misy, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena omaly.
J. Mirija
Tsy misy izay tsy rera-tsaina amin’ny hafitsoky ny fahatapahan-jiro matetika na ny delestazy eto an-drenivohitra sy ny