airtel

Fampianarana

10-août-2022

Fampianarana

Mpianatra ho manamboninahitra Hatsaraina ny kalitaon’ny fampianarana mba hahazoana vokatra tsara

Sample post image

Nihaona tamin'ireo mpianatra ho manamboninahitra ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ny Jeneraly Rakotonirina Richard omaly tany Antsirabe .

10-août-2022

Anisan’ny noresahiny nandritra izany ny toetra sy fihetsika tokony hananan'ny manam-boninahitra amin'ny maha mpitarika azy ireo sy manoloana ny asa andrasan'ny vahoaka aminy. Misy mantsy ireo mbola tsy mahafehy izany.Taorian'izay dia namory ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Akademia miaramila Antsirabe ny tenany ka nahitsy izy ny nilaza ny amin’ny tokony hanitsiana ny drafi- pampianarana ao amin'ny sekoly mba hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana ka hanana vokatra goavana amin'ny asa fiarovana ny vahoaka hatao eny an-kianja manoloana toe-javatra misy ankehitriny. Diso mirongatra loatra mantsy ny fandriampahalemana ka tokony handraisana fepetra. Anisan’ny antony mampanome tsiny ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana ihany koa izany izay sary variana any anaty birao fotsiny ny sasany fa tsy manao ny andraikiny ara-dalana akory.
Nangonin’i Pati
Legende :
Nandritra ny dian’ny minisitra omaly . 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanomboka omaly 22 hatramin’ny 26 aprily ny herinandro maneran-tany ho an’ny fanabeazana,

Card image cap
23-avril-2024

Efa saika vita avokoa ny fandaharam-pianarana taonam-pianarana 2023-2024

Card image cap