airtel

Fampianarana

15-févr-2022

Fampianarana

Mpianatra iray nisy namono Ahiana ny korontana any amin’ny oniversiten’i Toamasina

Sample post image

Mamofompofona korontana indray ao amin’ny oniversite Barikadimy - Toamasina amin’izao manoloana ny raharaha nahafatesana mpianatra iray avy any atsimo. Raha ny fandehan’ny

15-févr-2022

tantara dia nijery olona tao amin’ny trano iray ilay mpianatra nisy namono izay nianjera tamin’ny bisikileta teo ivelan’ io trano io ka nolazain’ireo mpianatra sasany fa mpangalatra. Niharan’ny daroka tamin’ny hazo sy vono ilay mpianatra avy any Ambovombe io raha ny tatitra azo avy any an-toerana. Voatery nentina teny amin’ny hopitaly izy saingy efa tsy tany intsony ny ainy ka nitarika ny fahafatesany. Ny alarobia teo no niseho ity tranga nahafatesana mpianatra tao Barikadimby Toamasina ity. Tsy neken’ireo mpianatra namany anefa ny herisetra nianjady tamin’ny namany io ka omaly alatsiniainy 14 febroary teo dia nampiseho firaisankina ny mpiara-mianatra tamin’ilay maty sy ny mpiavy avy any Ambovombe hatramin’ireo mpianatra avy any atsimo- atsinanana ka nanao fanambarana mihitsy ny amin’ny fitsipahana nahafatesan’io mpianatra io vokatry ny fanendrikendrena azy ho mpangalatra. Efa nisy mantsy ny mpianatra izay voatonitonina izay namono io mpianatra io izay efa nivoka any anatiny tambazotra serasera facebook antsoina FER RONG. Votoatiny fanambaran’ireo mpianatra avy any atsimo io dia ny fitakiana fisamborana ilay nahavanon-doza ary nampiseho mihitsy ireo mpianatra namany tamin’ny alalan’ny fanaovana tapa-damba miloko mena natao teo amin’ny loha. Taoriana nisehoan’ny korontana tao amin’ny campus Barikadimy dia efa nandray ny andraikiny avy hatrany ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa amin’ny alalan’ny misitra mpiahy tamin’ny fikarakarana ny razana ilay mpianatra maty sy nanao fandevenana. Mitaky fitoniana sy ny fifandaminana arak’izany ny minisitera manoloana ity raharaha ity. Na izany aza efa misy ny fanadiadina ataon’ny mpitandro ny filaminana ao Toamasina mikasika ny fahafatesana mpianatra tao Barikadimy. Ho hita eo ny tohiny ny raharaha. ‘
Tolin
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap