airtel

Fampianarana

23-août-2022

Fampianarana

Mpianatra Malagasy any Indonezia Miantso vonjy, 6 volana tsy azo ny vatsim-pianarana

Sample post image

Taorian’ireo mpianatra any Rosia, nangataka ny hanomezana ny “allocation annuelle 2020-2021” ihany koa ireo mpianatra Malagasy any Indonezia,

23-août-2022

ka nandefa taratasy miantefa amin’ny Fanjakana mahefa ny 12 aogositra 2022 teo. Tokony ho nivoaka ny volana janoary lasa teo, izany kanefa hatramin’izao mbola tsy azo. “Efa niezaka izahay niara-nifanolo-tànana tamin'ny “Service des Bourses Extérieures” mba hahafahana mamoaka ny “allocation annuelle” ara-potoana kanefa efa ho dimy volana izao dia mbola resaka “procedure” sy “controle” foana ny vaovao azonay”, hoy ireo mpianatra. Nomarihin’izy ireo fa mahazo daty vinavina foana isaky ny manao fifampiresahana amin’ny tompon”andraikitra kanefa rehefa tonga ilay daty dia ahemotra hatrany. Misy solontenan’izy ireo aty Madagasikara nalefa nihaona tamin’ireo tompon'andraikitra anefa toa narirarira izy ireo. “Ankehitriny, manoloana ny olana izay sedrainay mpianatra aty Indonezia dia mangataka aminao izahay Ramatoa ministra ny mba hivoahan'ny “allocation annuelle” faran’izay haingana satria betsaka aminay mpianatra no misedra olana toy ny tsy fahafahana manavao Visa sy ny “assurance médicale” sy ireo olana maro samihafa noho ny fahataran'ny fahazoana ny “alocation annuelle”. Reny mpiahy anay lanao Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarahoana ara-Tsiansa ary manan- janaka tahaka ireo Ray aman- dreninay izay mitebiteby manoloana ny olana izay sedrainay aty ivelany”, hoy hatrany ireo mpianatra any Indonesia. Isaky ny janoary eo ny mpianatra iantohan’ny fanjakana “bourse” na “allocation financiere” dia mitetina 250dolara eo isaky ny mpianatra no raisiny. Ankehitriny anefa izahay dia mahatsapa fa tena sahirana satria tara enim-bolana be izao ilay izy toy ny tamin’ny taon-dasa ihany, hoy ny fanamarihana. Ny fepetra eto Indonesia anefa sarotra satria tsy mahazo miasa ny mpianatra na mivantana na ankolaka raha tratra dia sazy mihantra, hoy izy ireo. Ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, ny Minisiteran’ny vola sy ny tetibola no tena ary ny sampan-draharaha misahana ny vatsim-pianarana makany ivelany no heverina fa tompon’andraikitra tokony hijery akaiky izao, ankoatra izay mety ho fandraisana an-tanana ataon’ny Masoivohontsika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanomboka omaly 22 hatramin’ny 26 aprily ny herinandro maneran-tany ho an’ny fanabeazana,

Card image cap
23-avril-2024

Efa saika vita avokoa ny fandaharam-pianarana taonam-pianarana 2023-2024

Card image cap