Nahazo diplaoma mifandraika amin’ny fari-pahaizana noratovony avokoa izy ireo ary fantatra fa vonona ny hizara ny traikefany sy ny fahaizany eto amin’ny firenena amin’ny alalan’ireo asa fampandrosoana maro samihafa tokony hotanterahina. Raha tsiahivina kely moa dia tamin’ny Alakamisy 10 Novambra lasa teo no tong any andiany voalohany. Am-polony mianadahy izy ireo notsenain-dRtoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny profesora Assoumacou Elia Béatrice. Nambaran’ny filohan’ireo mpianatra Bezandry Luciano Chan nandritra izany fa faly izy ireo tafaverina soamantsara eto an-tanindrazana ary mbola maniry ny hitohizan’ny finiavana hananan’ny Fitondram-panjakana handefa mpianatra handrato fianarana any ivelany tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fahatongavan’ireo andiany voalohany teto an-tanindrazana