airtel

Fampianarana

07-nov-2022

Fampianarana

Mpianatra Malagasy Zarina hifaninana fa tsy beazina hahay sy hikaroka

Sample post image

Tsy hisy firenena handroso ao anatin’ny fahabadoana sy tsy fahalalana, ka isan’ny mbola mila ezaka ny fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana sy fanabeazana eto, raha tarafina amin’ny zava-misy.

07-nov-2022

Education is the most powerful weapon we can use to change the world”, hoy I Nelson Mandela andrarezin’ny fahendrena sy ny fahalalana taty Afrika sy maneran-tany. Raha hadika tsotsotra dia hoe: “Ny fampianarana no fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra azontsika ampiasaina hanovana izao tontolo izao”. Tena haintsika Malagasy ve ny mitrandraka sy mampiasa ny fampianarana sy fanabeazana ho fanohitra hoenti-mampandroso ny firenena? Tena tia mampiana-janaka ny Malagasy, ary tsy misy tsy mahalala ilay fomba fiteny hoe: “ny fianarana no lova tsara indrindra”. Na izany aza, mila fanarenana ihany satria toa notezaina handray izay atolotra, ary hifaninana fa tsy nobeazina hahay sy hikaroka ny Malagasy. Ny hahazo naoty tsara no tena tanjona, ary lasa manimba saina be ilay tarehimarika sy filaharana avy eo. Mirona betsaka kokoa any amin’ny fanatratrana isa ambony sy filaharana, izay toa nalaintsika tahaka tamin’ny Frantsay. Raha mampitaha misafidy ny hampiasa tarehin-tsoraka A,B,C,D,E ny “Anglophone”, raha toa ka mampiasa ny lanjan’isa amin’ny 10 na 20 isika toy ny hoe: 5/20, 10/20, 18/20. Na 12/20 aza ny naoty farany ambony ao an-dakilasy, dia iny izany no voasokajy ho ambony indrindra sy mahay indrindra satria ny filaharana no mikaonty voalohany. Lasa tia mifaninana amintsika samy Malagasy fotsiny isika, saingy ny ankamaroany tsy sahy an’izay raha vao hoe vazaha. Io fomba fiaina sy fampianarana io no isan’ny mahatonga ilay kapa vava ranjo sy ory hava-manana rehefa any aoriana. Toa nozarina hotolorana sy handray hatrany ihany koa isika hoe: ity ny lesona, dia ahoana no hahaizana an’io, tsy dia mifandraika loatra amin’ny hoe: iza isika? iza I Madagasikara? Rafi-pampianarana sy programam-pampianarana tahaka ny ahoana no mety sy mifandraika amintsika? Manana harena samihafa na an-tanety, ambanin’ny tany, an-dranomasina, manana tany tsy hita pesimpesenina azo hamokarana I Madagasikara, saingy tsy haintsika no mampiasa izany ho fanohitra ho amin’ny fampandrosoana. Endrika iray maneho, fa miaina sy mionona fotsiny amin’ny programam-pampianarana lasitra avy amin’ny vazaha isika, natao handray, fa tsy natao hitrandraka sy hikaroka izay tena mahasoa ny firenena. Mila fijerena sy fanatsarana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap