io no nasongadin'ireo tanora toy ireo mpianatra tenim-pirenena rosianina eny amin'ny oniversiten'Antananarivo, eny Ankatso, ny alahady 20 aogisitra lasa teo nandritry ny hetsika nataon'izy ireo. Mihevitra ireto tanora ireto fa manana fahefanana hanatanteraka zavatra goavana eto Madagasikara na Afrika iray manontolo mihitsy ny firenena rosianina ka anton'izao hetsika izao, hoy ny fanazavana. Nanehoana izany ny fitondrana afisy maro sy fananganana ny sainam-pirenena roa tonta dia ny sainam-pirenena malagasy sy rosianina ho fanehoana ny firahalahiana sy ny finamanana eo amin'i Madagasikara sy Rosia. Taorian'izay nisy ihany koa ny diabe nataon'izy ireo. Amin'ny maha tanora azy ireo, indrindra fa ireo mpianatra tenim-pirenena rosianina, dia namafisiny fa antoky ny hoavin'izy ireo raha miha tsara hatrany ny fifandraisana eo amin'ny amin'ny firenena roa tonta, eny, na Afrika iraimanontolo mihitsy aza, ary mety hitondra vokatra tsara izany. Tsara fantatra fa efa maro ny firenena nitondran’i Rosia fanampiana toa an’i Mali, Burkina Faso, hoy hatrany ny fanazavana, ka isany nanamafisan’ireto mpianatra ireto fa maniry izy ireo ny hanamafisana ny fifandraisain’i Rosia sy Madagasikara.
J. Mirija