airtel

Fampianarana

13-sept-2022

Fampianarana

Mpianatra tsara sitrapo avy ao Tanjombato Nanolotra boky ho an’ireo niharam-boina tetsy Ambohijatovo

Sample post image

Boky maro mirakitra fahalalana tsy hita pesipesenina no lasa lavenina tao anatin’ny indray mipy maso teny Ambohijatovo andro maromaro lasa izay.

13-sept-2022

Ankoatra ny voka-dratsy aterak’izany amin’ny fampianarana sy ny fikarohana dia fantatra ihany koa fa misy fiantraikany goavana amin’ny asa fameloman-tenan’ireo mpivaro-boky niharam-boina izany. Na izany aza mbola misy ihany ireo miahy sy mahatsiaro azy ireny. Tonga nanolotra boky maimaim-poana ho azy ireo ny mpianatry "Groupe For Twelve School" Malaza Tanjombato tamin’ny faran’ny herinandro mba ho fanampiana azy ireo. Boky miisa 600 no natolotra tamin’izany izay fantatra fa nangonin’ireo mpianatra isanisany ankoatra ireo avy amin’ny tsara sitrapo. Izany no natao moa dia mba hahafahana manangona sy manatevina ireo raki-pahalalana entin’ny boky indrindra fa ireo may tokony hosoloina na dia tsy ho tafaverina 100% intsony aza izany. Marihina fa mandray ireo karazam-boky avy amin’ilay tsara sitrapo ihany koa ity sekoly ity raha toa ka misy izany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap