airtel

Fampianarana

11-juil-2022

Fampianarana

Mpianatry ny IT University Hisitraka Master BIHAR, hamokatra “application” ho an’ny tantsaha

Sample post image

Ny rektoran’ny ITU Pr Olivier Robinson sy ny Pr Serge Miranda no nanasonia ny fifanaraham-piaraha-miasa Mivelatra hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny tolotra ho

11-juil-2022

 an’ny tanora Malagasy ny IT University na ny ITU etsy Andoharanofotsy, oniversite tsy miankina sangany amin’ny fampiofanana momba ny informatika, teknolojia,… Tontosa ny zoma 08 jolay 2022 ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin'ity sekoly ambony eto Madagasikara ity sy ny ESTIA (Ecole Supérieure de Technologies Industrielles Avancées) izay sekoly ambaratonga ambony momba ny teknolojia indostrialy mpanofana injenera ambony ao Frantsa nosoloin’ny Pr Serge Miranda tena, ary ny Rektoran’ny ITU Pr Robinson Olivier. Hifantoka amin’ny fanatsarana ny fari-pahaizan'ny mpianatra eo anivon'ny IT Univesity io, izay ho afaka hanaraka ny kalitao iraisam-pirenena no vokatr'izao fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa izao. Manomboka izao araka izany dia ho afaka hahazo ny mari-pahaizana Master BIHAR (BIG DATA INTELLIGENCE FOR HUMAN AUGMENTED REALITY) ireo mpianatry ny ITU amin'ny alalan'ny “formation e-BIHAR” an'ny ESTIA Frantsa, eny fa na dia eto Madagasikara ihany aza izy ireo no mianatra. Miompana amin'ny fifehezana tanteraka araka ny fenitra iraisam-pirenena momba ny “intelligence artificielle" sy ny atao hoe "big data" ary ny " développement d'applications mobiles et web" ny fahaizana manokana ho azon'ireo mpianatra amin'izany. Notokanana ny zoma lasa teo ihany koa moa ny “Campus numérique” iraisan’ny ITU sy ny ESTIA ary ny Datum Academy. Diplaoma iraisam-pirenena faharoa izay afaka sitrahina ao amin’ny IT University ity Master BIHAR iarahana amin'ny ESTIA Frantsa ity. Efa nisy hatramin'izay kosa mantsy ny Master MDBS (Mobiquité, Base de Données et intégrations de Systèmes) izay iarahan'ny ITU amin'ny oniversiten'i Cote d'Azur nanomboka ny taona 2014.

90 NAHAZO MASTER MBDS, 167 NAHAZO « LICENCE »

Fanolorana mari-pahaizana teny amin’ny Espace Rose - By pass ny zoma lasa teo
Mifanindran-dàlana amin’izay, nototosaina ny tolakandron’io zoma io teny amin’ny Espace Rose By Pass ihany koa ny lanonam-pamoahana ireo mpianatra miisa 257 teo anivon’ny ITU ka ny 167 tao anatin’ny andiany « Ilo» nahazo nahazo ny mari-pahaizana « licence » momba ny informatika, ary ny 90 kosa izay ao anatin’ny andian’ny « Alisoa » nahazo ny Master MBDS. Mikasika ny ITU sy ny fivoarany hatrany, ary ny fiaraha-miombon’antoka iraisam-pirenena ataony. Nanamafy ny Rektora Pr Robinson Olivier, fa ahazoan’ny tanora Malagasy mandranto fampianarana avo lenta avy any ivelany, mijanona eto an-toerana, kanefa afaka mifandray amin’ny any ivelany, mahazo ny diplaoma avy any ivelany ahafahantsika mandrefy hoe : hatraiza ny hatsara sy ny herin’ny zavatra vitantsika eto Madagasikara ? Mahavita isika rehefa manao ary izay no tian’ny IT University hatao. Niainga tamin’ny kely ny IT University, izay mpianatra 60 no niaingany ny 2011, ary 1186 ». « Mahavita isika, ary isaorana hatrany ny fanohanana avy amin’ireo mpiahy antsika, toy ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny nomerika, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra », hoy ny Rektora Pr Robinson Olivier.
MINISITRA HARIFIDY RAMILISON: « HIARA-HIASA AMIN’NY ITU HO FAMPIVOARANA NY …»

Ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana Harifidy Ramilison nitafa tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny ITU Andoharanofotsy
Nanome voninahitra ny lonan-dehibe an’ny ITU University ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana Atoa Harifidy Ramilison, ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Paositra, ny Talen’ny CIDST izay nisolo tena ny minisitry ny fampianarana ambony,… Nandritra io no nilazan’ny Minisitra Harifidy Ramilison fa be dia be ny fampiharana izay mitondra fampandrosoana amin’ny tontolon’ny ambanivohitra raha ny haitao ara-kajy mirindra no resahina. Ny karatra famokarana natomboka, efa aman’arivony ny natonta, ahitana hoe: vokatra avy aiza? Ohatra iray ny tontolon’ny lavanila. Efa misy “Application” izay fiantombohany, fa maro ny fikasana sy ny fiaraha-miasa amin’ny IT University amin’izany, ary miaraka amin’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny nomerika, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra, hoy izy. Hisy ny fiarahan’ireo telo tonta ireo hanao ny famokarana fitaovana ho an’ny tantsaha mpamokatra sy mpiompy. Isan’ny ngezabe ny “vulgarisation à distance” izany hoe: ny fanapariahana haitao ara-pambolena izay amin’ny alalan’ny “application” iray, izay ny tantsaha no afaka hisitra izany, tsy sarotra fa amin’ny alalan’ny tambajotra 2G, 3G,… dia efa azo sitrahana toy ny teknika hoe: ahoana ny fambolena vomanga, mangahazo, vary,… Eo ihany koa ny hoe: aiza no misy zezika, na masomboly tahaka izaos y izao? Efa nifampiresahan’ny minisitra sy ny Rektoran’ny ITU ihany koa ny hanaovana “Application” momba ny ady amin’ny tsy fahaizana mamaky teny, ka arakaraka ny asa izay hataon’ny tantsaha no hampianarana azy mamaky teny, ary efa nisy ohatra nahomby satria tamin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana nomerika no nahaizan’ilay tantsaha namaky teny. Iaraha-miasa amin’ny Minisiteran’ny mponina indray io, hoy ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana Atoa Harifidy Ramilison.
Nanangona sy nandrindra: Toky RAFALIMANANA
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap
22-avril-2024

Tena mahatsiaro sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra indrindra

Card image cap