airtel

Fampianarana

19-mai-2023

Fampianarana

Mpianatry ny ITU, taona fahatelo Efa nahatsangana orinasa sahady izy 5 mianadahy

Sample post image

Samy taona fahatelo ao amin’ny IT University etsy Andoharanofotsy, izay oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana ato anatin’ny vondron’orinasa Vidy varotra,

19-mai-2023

ary miompana amin’ny fampianarana sy fikarohana momba ny informatika sy tekinolojia vaovao. Efa nahatsangana orinasa sahady ny anao lahy, raha ny fampitam-baovao voaray nandritry ny foara iraisampirenen’i Madagasikara na FIM andiany faha 17 natao tetsy amin’ny Expo Forello Tanjombato teo. Kante Co moa no anarana nampisaloran’izy ireo izay orinasa natsangan’izy ireo voalohany izay ary niaraha-namolavola tamin’ny NextA, izay anatin’ny vondron’orinasa Axian. Mazava ho azy fa tolotra mifototra amin’ny resaka nomerika no iompanan’ny orinasa ary tanjona moa, hoy izy ireo, ny hahatonga ny hairaha vaovao na «digitalisation» ho eny an-tanan’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka. Na eo amin’ny resaka tranokalam-pifandraisana na web izany na ny resaka finday avo lenta na ny resaka solosaina sy ny ankoatran’ireo rehetra ireo ihany koa, hoy hatrany ny fanazavana, ary izay no hirariana soa ny tanora toa azy ireo ho tonga amin’ny lavitra indrindra hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap