airtel

Fampianarana

25-mars-2022

Fampianarana

Mpianatry ny Politeknika nosamborina «Bourse » no notakiana, sazy mihantona 1 hetsy Ar no azo

Sample post image

Efa nilamindamina ny raharaha famoahana ny vatsim-pianarana mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo, taorian’ny fitakiana mahery vaika teny amin’ny politeknika Vontovorona herinandro mahery izay ka nisy mpianatra roa

25-mars-2022

 voasambotra mihitsy, teny amin’ny Oniveriten’Antananarivo ny herinandro lasa teo, nitohy tany Mahajanga sy Fianarantsoa. Niakatra fitsarana mihitsy ireo mpitarika roa mpianatra voasambotra teny Vontovorona izay fandratrana mpitandro ny filaminana no nambara fa vesatra. Namoahana sazy mihantona fandoavana lamandy iray hetsy ariary avy. Toa karazana hetsika fampihorohoroana ireo mpitarika sy ireo mpianatra manao fitakiana. Vatsim-pianarana izany no notakiana tamin’ity indray mitoraka ity, kinanjo sazy mihantona fandoavana onitra no azo. Handray ny vatsim-pianarana manomboka anio ny eny amin’ity Sekoly ambony ity. Hiravona hatreo noho ny “digitalisation” ve ny resaka fitakiana noho ny fahataran’ny vatsim-pianarana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap