airtel

Fampianarana

04-mars-2021

Fampianarana

Mpianatry ny Polyteknika Vontovorona “Aoka tsy hifandrebireby, bourse 4 volana no fantatray”

Sample post image

Taorian’ny grevy, fanakanan-dàlana, fandorana kodiarana, fitorana fiara,… teny

04-mars-2021

 


Vontovorona ny takariva sy ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia. Nitazona ny teny nomeny amin’ny tsy hakana ny vatsim-pianarana iray volana miampy fampitaovana ny mpianatry ny Sekoly polyteknika na ny ESPA Vontovorona omaly. Mpianatra 2500 no tokony hisitraka izany, saingy raha ny hita omaly tetsy Ankatso, dia tsy tonga ireo tokony handray omaly izay ny L2, raha ny voafaritra ao anatin’ny tetiandro. Fandrebirebena sy famonoana afo ny filazana fanaovana “digitalisation” sy ny fisiana “coronavirus”, hoy ireo mpianatra. Ny resaka “digitalisation” no nambara fa sakana tsy ahafahana mamoaka ny vatsim-pianarana, saingy vita ny ampahany tamin’io, dia iray volana ihany no navoaka. “Natao hoenti-manakana ny hetsika sy ny grevy tamin’ny tapa-bolana ny filazana fa misy covid-19. Najanona 15 andro ny fampianarana, fa ny olona nitangorona ihany tamin’ny fanaovana “digitalisation”, izay nahatsapana fa famonoana afo”, fa famonoana afo, hoy ireo mpianatra..

“4 VOLANA IHANY NO FANTATRAY”

 “Mitaky hatrany ny hahazoanay vatsim-pianarana 4 volana izahay. Tsy maintsy mitaky ny zonay izahay, ary mila mitovy ny Oniversite eto Madagasikara satria ny any Toliara efa nivoaka ny 4 volana miampy fampitaovana”, hoy ny fanamafisana ny fitakiana nataon’izy ireo omaly. Nilaza ho tsy ho tompon’antoka tamin’ny fandoroana tsena, fandrobana,… kosa ireo mpianatra. Isan’ny vaky ny fivarotan-kena iray teny an-toerana, misy ny mpivarotra mitombam-bidy hatrany amin’ny 2 hetsy ariary ny entana may,… Tonga teny an-toerana ny ben’ny tanàna, ka nihaona tamin’ny mpitantana ity Sekoly ambony ity sy ny mpianatra, ka nanolo-kevitra amin’ny tokony hifampidinihana mba hanonerana ireo mpivarotra. “Tsy maintsy hoe voasoketa foana ny mpianatra, nigrevy tsotra ny mpianatra, andro maizina ka misy olon-kafa mijoro eo avy eo manao asa ratsy, tsy nisy fandrobana fa ireny zavatra may ireny no hita tety an-toerana…”, hoy kosa ny mpianatra.

 

Toky R

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap