airtel

Fampianarana

12-avril-2024

Mpianatry ny sekoly Maria Mpanampy

Nentanina hanana kolontsain’ny fandraharahana

Sample post image

Nahazo fanentanana avy amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE)

12-avril-2024

ny mpianatry ny « Sekoly Maria Mpanampy tetsy Soanierana Ambony”omaly Alakamisy 11 Aprily. Miezaka ny Ministeran’ny Varotra sy ny fanjifana mandray anjara eo amin’ny fanabeazana ny tanora dieny any an-tsekoly mba hahaizan’ireto farany mikolokolo ny toe-tsaina mandraharaha. Ireo mpianatra miisa 450 mianadahy ao amin’ny kilasy faharoa sy voalohany ary famaranana no nisikatra izany fampahafantarana sy fizarana momba ny tontolon’ny fandraharahana sy ny orinasa kaoperativa izany. Tsikaritra fa liana ny tanora ankehitriny ary tsy vitsy an’isa izy ireo no efa manana vina handraharaha. Tombony lehibe ny fizarana bebe kokoa ny mikasika ny orinasa kaoperativa satria maro ireo nihevitra fa ny fiara fitateram-bahoaka ihany no atao hoe : kaoperativa. Niampy ny fahalalana azon’ny mpianatra manoloana izany.
Pati
Legende : Ireo mpianatra nanaovana ny fanentanana omaly !

 

Dans la même rubrique