airtel

Fampianarana

16-févr-2023

Fampianarana

Mpianatry ny U-magis St Michel Amparibe Mikarakara fifaninanana dihy maoderina

Sample post image

Mikarakara hetsika fifaninanana dihy maoderina ireo mpianatra eo anivon’ny U-magis St Michel Amparibe, ao anatin’ny Samis Esic.

16-févr-2023

Nambaran-dRandrianarisoa Tyffany Karine, isan’ireo mpianatra mpikarakara, fa ny alarobia 22 febroary izao, amin’ny 1 ora sasany, no hanatontosana ny hetsika dingan’ny fifanintsanana ho an’ireo karazana dihy hifaninanana, izay hatao ao amin’ny Amphithéâtre Amparibe. Isan’ireo dihy hanaovana fifaninanana ny « Billy dance », « Hip Hop », « Krump », « dancehall », « danse sportive », « afro », « danse de salon » sy ny maro hafa . Ireo tanora eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 28 taona no tiliana handray anjara, hoy izy. Somary efa antomotra ny fotoana hanatontosana ny fifaninanana, na izany aza, efa misokatra ny fisoratana anarana ao amin’ny St Michel Amparibe na ao amin’ny Pejin’ny Esic Event ao amin’ny tambajotra sosialy Facebook, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Tontosa ny 14 may teo ny varavarana misokatra ho an’ny oniversiten’i Vakinankaratra,

Card image cap