airtel

Fampianarana

06-sept-2023

Nanamafy ny greviny ny SECES

“Sorona noho ny tsy firaharahian’ny Fanjakana ny zana-bahoaka”

Sample post image

Nanamafy ny fitokonany indray ny SECES Sampana Antananarivo omaly. Nanao ny fanamiana “tose” sy t-shirt

06-sept-2023

manokana izy ireo tamin’io omaly io, ary nanakatona tanteraka ny fidirana sy fivoahana ny faritry ny Oniversite. Nihitsoka avokoa noho izany ireo fiara tao amin’ny faritry ny oniversite, ary tsy afa-niditra ireo nanan-draharaha. Efa nihaodihaody sy nihantrana teny amin’ny manodidina ihany koa ny mpitandro filaminana. “Miandrandra ny SECES fa mpitondra manana adidy aman’andraikitra matoa nanaiky notendrena. Apetraho amin’ny toerany ny mpampianatra sy ny fampianarana ambony. Heno ny hafatra, efa 2 volana ny fitakiana, maninona raha valiana”, hoy ny SECES tamin’ny alalan’ny Filohany Pr Ravelonirina Sammy Gregoire. Notsipihiny fa ny zana-bahoaka tsy afa-mianatra any amin’ny tsy miankina, lasa soketaina sy atao sorona. Vonona ny hiroso amin’ny fampianarana ny SECES raha toa ka feno ny fepetra, dia ny fivalian’ny fitakiana, izay efa nalefa tany amin’ny governemanta, ny Fiadidian’ny Repoblika,… hoy izy. Ampahany kely dia kely satria 1/9 tamin’ny fitakiana anefa no nivaly hatreto, dia ny fanekena ny fanondrotana amin’ny “corps” misy azy ho Profesora sy “directeur de recherché” an’ireo olona tokony hisitraka. Efa tamin’ny 2017 no nisy an’izany farany, niezaka anefa ireo mpampianatra, misy ny efa nodimandry, ka izao vao mba hanaiky indray ny Fitondrana. Ny fanondrotana manamboninahitra jeneraly ve mba tahaka izany hoe: isaky ny 6 taona? hoy hatrany ny Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo. Faharoa ny fanekena ny fandefasana ny vola fanampiny handoavana ny banga amin’ny ho an’ny PAT sy ny mbola hanampiana 48% ny 75% tapany faharoa ho an’ny karaman’ireo mpampianatra an-tselika ho an’ny taom-pianarana 2019-2020. Tokony handefasana sy hanekena ho manan-kery ny didim-panjakana miisa 5; fandoavana ny “indemnité de recherche et d’investigation” ho an’ireo mampianatra efa misotro ronono izay mihoatra ny 70 taona mbola antsoina satria tsy misy ny fampidirana, izay misy efa 4 taona mihatona ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika, ny fampiharana ny “3 décrets” izay tokony ho efa naloa nanomboka ny 2019. “Tsy misy oniversite mitokona izany eto ambonin’ny tany, afatsy ny eto Madagasikara noho ny tsy fandraisan’andraikitry ny Fanjakana. Hatramin’izao efa volana septambra mbola tsy tonga any amin’ny oniversite tsirairay ihany koa ny vola hampiodinana ny oniversite izay sady tara no tsy ampy”, hoy ny fanamarihana. Nampaneno lakolosy manoloana ny fakana ny tanin’ny oniversite sy ireo sekoly ambony samihafa na sampa-pikarohana samihafa, toy ny fakana ny ampahan-tanin’ny CNARP, FOFIFA,…

Nisy ihany koa moa ny fanambaran’ny Fikambanan’ny mpianatra eo anivon’ny Oniversite Politeknika eny Vontovorona mitaky ny famoahana ny vatsim-pianarana “reclamation 2022” izay mbola tsy voaloa, mitaky ny fampiakarana vatsim-pianarana, mitaky famahana ny olan’ny fampianarana satria mendrika fampianarana milamina sy mirindra ary tsara kalitao ny tanora Malagasy, hoy izy ireo.
Toky R

 

Dans la même rubrique