airtel

Fampianarana

18-août-2023

Fampianarana

Nanenjana ny mpitsara bakalorea Nigrevy tsy nety nanao “délibération”…

Sample post image

Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,

18-août-2023

Mahajanga 56,35%, dia mbola andrasana kosa ny an’ireo faritany 3 ambiny. Voalaza fa hitohy amin’ity herinandro ity ny an’ireo ambiny, ka handeha aloha ny ao Toamasina sy Toliara, ary I Antananarivo no ho farany satria voalaza fa betsaka kokoa ary avo roa heny amin’ny an’ny faritany sasany ny mpiadina teto Antananarivo. Ny alarobia na omaly no tokony ho natao ny “delibération” na fanapahana ny naoty hanafahana ny mpiadina ho an’Antananarivo, saingy nitokona ireo mpitsara fanadinana omaly teny Ankatso, nilaza tsy hanaiky hanao “délibération” raha tsy mivoaka mazava, toy ny isan-taona ny momba ny fandoavam-bola na “vacation” tambin-karaman’izy ireo. Nanambara, fa tsy misy valim-panadinana bakalorea hivoaka eo, raha tsy milamina ny vola. Ankilany, nidina avy hatrany teny Ankatso ny avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESUPPRES) omaly, nifampiresaka, ka voalaza raha ny loharanom-baovao avy ao fa ho voahaja araka ny fandaharam-potoana voafaritra ny famoahana ny valim-panadinana. Raha ny fanazavana moa dia ao anatin’ny sokajy “Service fait” ny fikirakirana ny bakalorea hatramin’izay, ka vita tanteraka ny asa vao mandeha ny dingana fandoavana ny vola. Ny 2021 sy 2022 dia voalaza fa efa nalefa tamin’ny oniversiten’Antananarivo ka tsy tena tonga any amin’ny tompony ve ny valin-katsembohany sa inona marina no tena miseho? Ny oniversiten’Antsiranana, Fianarantsoa, Mahajanga efa samy namoaka namoaka valim-panadinana avokoa ary samy vao nahatonga ny “programme d’emploi” momba bakalorea 2023 ka miroso amin’ny “engagement vacation 2023”. Ny “programme d’emploi” momba ny bakalorea ho an’Antananarivo dia vao afak’omaly 16 aogositra no tonga teo amin’ny MESUPRES, raha ny fanazavana azo. Voalaza fa efa nasaina hifampiresaka amin’ireo mpitsara fanadinana ireo ihany koa ny avy amin’ny Minisiteran’ny fanabeazana na ny MEN sy ny CISCO izay nandefa azy ireo. Nahoana ny any amin’ny Faritany no milamina fa Antananarivo misy olana ?
TSY TOKONY HATAO SORONA NY FAMPIANARANA
Ny vy tsy mikitrana irery fa ao raha, mety misy ny finiavana hanakorontana, fa mety eo ihany koa ny fahasosorana noho ny olana lava, fitarazohan’ny famoahana tambin-karama, tsy fanomezana hasina ny mpampianatra,… izay ilàna fanatsarana. Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fampianarana, izay toa tratry ny olana hatrany, mila vahaolana matipaika sy maharitra,... Tokony samy hanatanteraka ny anjara andraikiny mifanandrify aminy na ny andaniny na ankilany mba tsy ho lasa sorona lava ny fampianarana sy ny tanora izay lasibatra tamin’ny fanakorontanana noho ny famoahana laza adina mialohan’ny fotoana ka sanatria atao takalon’aina amin’ny fampitarazohana valim-panadinana indray!?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap