airtel

Fampianarana

23-mars-2023

Fampianarana

Nangotraka indray ny grevin’ny Politeknika Mifamingana ny Oniversite sy ny minisitera

Sample post image

Raikitra indray ny grevin’ny mpianatry ny Sekoly ambony politeknika na ny ESPA Vontovorona omaly 22 martsa.

23-mars-2023

Milaza ireo mpianatra fa tsy afa-po tamin’ireo valin-teny samihafa nentin’ny tompon’andraikitra ka antony niverenan’ny fitokonana indray. "Valiny mahafa-po tompoko no ilainay fa tsy resabe fotsiny, tsy hijanona ny fitakiana raha tsy misy valiny azo tsapain-tanana" hoy ny fanambaran'ireo mpianatra. Olana momba ny trano fonenana, vatsim-pianarana, rano fisotro madio eny anivon’ny toeram-ponenana no isan’ny mbola nanohizan’izy ireo ny fitakiana, na teo aza ny fifampiresahana teo amin’ireo Solontenan’ny mpianatra sy ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny 12 martsa lasa teo. Noho izany nilaza ireo mpianatra fa tsy hitsahatra ny fitakiana raha tsy mahazo valiny maha-fapo izy ireo. Nafana indray noho izany ny fanakanan-dalana io omaly io, ka niditra an-tsehatra tahaka ny mahazatra ny mpitandro filaminana. Nipoaka indray ny baomba mandatsa-dranomaso, saingy nisy tamin’izany no diso làlana, ka lasa tany amin’ny tranon'olona niteraka fahatoranan’ny ramatoa iray. Raha ny fanampim-baovao hafa, voalaza fa nampiantso fivoriana ny “président de filière”. Marobe ny tonga tao amin’ny “bâtiment marron”. Noho ny tonga ny Talen’ny Sekoly, “président college”, solotenan’ny “chef des mentions”, mpampianatra, dia notarihin’ny FMPA na ny Fikambanan’ny mpianatra nivoaka daholo ireo olona saika hivory ka tsy tanteraka ny fivoriana. Etsy andaniny, mikasika ny vatsim-pianarana, raha ny fanazavana azo avy amin’ny Minisitera tamin’ny alalan’ny Talen’ny Vatsim-pianarana dia noho ny lisitra avy amin’ny Oniversite mbola tsy tonga no olana tsy ahafahana miroso amin’ny “engement” hamoahana ny vatsim-pianarana. Efa feno ny lisitry ny politeknika kanefa tsy afaka mandeha mitsitokatokana fa miaraka ny an’ny Oniversiten’Antananarivo rehetra, raha ny fanazavana.

MIFAMINGANA?
Mifamingana ve izany ny eo anivon’ny Minisitera sy ny Oniversite ka mifandoto eo anatrehan’ny tsy fivahan’ny olana? Tamin’ireny raharaha fanakatonana ny Oniversite Politeknika mantsy, dia niafara tamin’ny fanebahan’ny Minisitry ny fampianarana ambony ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo ho nandray fanapahan-kevitra tamin’ny anaran’ny tenany manokana tsy nahazo fankatoavana tamin’ny Filankevitra siantifika, ny minisitera, ny CROUA,… Taorian’iny dia voalaza fa lasa any ampitan-dranomasina ny Filohan’ny Oniversite ny 11 martsa, ary ny 11 aprily no hiverina raha ny loharanom-baovao tsy ofisialy. Sao mba misy olana manokana ihany koa eo amin’ny minisitra sy ny filohan’ny oniverste satria raha ny loharanom-baovao dia saika tatazan’ny Filohan’ny oniversite hiara-hiasa aminy ny ankamaroan’ireo tompon’andraikitra ambony nesorina teo anivon’ny Minisitera? Io fa mbola mitohy ihany ny toa karazana fifampiampangana fa ny oniversite no olana amin’ny tsy fahatongavan’ny lisitra farany. Sanatria ny olana anatiny eo amin’ny samy mpitantana ve no mety ho lasa hanaovana sorona ny mpianatra sy ny fampianarana ambony mba hifandotoana?

Toky R


 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap
22-avril-2024

Tena mahatsiaro sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra indrindra

Card image cap