airtel

Fampianarana

23-août-2022

Fampianarana

Nigrevy indray ny mpianatr’i Maninday Rava hatramin’ny fifaninan’ny ASIEF

Sample post image

Raha somary nangingina ny fitakiana vatsim-pianarana tato ho ato, dia mifoha indray izany ankehitriny. Nihetsika indray ny mpianatra tany amin’ny Oniversiten’I Maninday Toliara omaly alatsinainy 23 aogositra 2022.

23-août-2022

Antony, momba misy ireo mpianatra tsy tafiditra tao anaty lisitra, efa nanao fangatahana sy fanamarihana na “réclamation” kanefa hatramin’izao tsy mbola nivoaka ny vatsim-pianarana. Maro ny olona izay mianjady aminay mpianatra fa tsy io ihany: ny “validation master” nangatahana mbola tsy ahitan’izy ireo mangirana. Ny resaka vatsim-pianarana moa lazain’izy ireo fa mikorontana, misy ny mpianatra mbola tsy nandray mihitsy “equipement+6mois; misy ny nahazo volana vitsy fa tsy nahazo “équipement”). Ny toeram-ponenana ihany koa mbola tsy voaarina. Vokany, niditra tamin’ny fitakiana indaray izy ireo, ary ka nanidy ny oniversite omaly. Rava noho izany ny “Tournoi ASIEF” (fifaninanam-pirenena ho an'ny mpiasam-panjakana) izay natao tao amin'ny “campus” na ny faritry ny oniversite omaly satria nohidin'ireo mpianatra ny vavahady be vy ary vita "soudure" mihitsy. Misy mpiasam-panjakana 20 000 eo ho eo anefa ny mandray anjara amin’izany, izay naneho fa tsy misy hidiran’izy ireo ny fitakiana. Ankoatra ity hetsika ity, nandefa taratasy miantefa amin’ny sojaben’ny sampam-pampianarana rehetra ny Fikambanamben’ny mpianatra, nampahatsiahy azy ireo fa mbola misy ireo mpianatra tsy nahazo vatsim-pianarana, ary takian’izy ireo ihany koa ny vatsim-pianarana telo volana sisa tsy azo. Efa tapitra ny fivezivezenay tamin’ny tompon’andraikitra rehetra izay nitadiavana vahaolana ka tsy maintsy izao sisa no faraherinay, ary hamerina filazana eto ihany koa izahay rehefa milamina ny toe-draharaha, hoy ireo mpianatra. Hatramin’izao izany tsy mivaha ny olana na teo aza ny “digitalisation”. Mbola mitohy ny grevy sy ny fitakiana. Asa rahoviana vao tena hitoetra ny vahaolana maharitra? Tsy tokony hidina an-dalambe izahay vao handray fepetra ianareo, fa vahaonareo, hoy ireo mpianatra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap
22-avril-2024

Tena mahatsiaro sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra indrindra

Card image cap