airtel

Fampianarana

24-août-2022

Fampianarana

Nihamafy ny grevy tany Maninday Nanakan-dàlana indray ny mpianatra

Sample post image

Mitohy ary mihamafy ny hetsiky ny mpianatry ny Oniversiten’I Toliara. Taorian’ny nanidian’izy ireo tamin’ny alalan’ny “soudure”

24-août-2022

ny vavahadin’ny anjerimanontolo any an-toerana, izay naharava mihitsy ny fifaninana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana na ny ASIEF any an-toerana, nidina an-dalambe tao amin’ny arabe tao Besasavy làlana miazo ny Oniversiten’I Maninday ireo ny mpianatra any an-toerana omaly. Vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra 700 mahery, vatsim-pianarana telo volana ambiny mbola tsy voaray, ny bloc simba, ny “validation” an’ny mari-pahaizana “master”,… no hanamafisan’izy ireo ny fitakiana. Avereno ao amin’ny oniversite ny fandoavana ny vatsim-pianarana, fa leo korontan-dava izahay. Tonga ny mpitandro filaminana nandrava ny hetsika, raikitra ny fifandonana, ka tafaverina tao amin’ny “campus” ireo mpianatra omaly. Manao seholany ny indray ny olana momba ny fampianarana ambony ankehitriny. Ankoatra io resaka vatsim-pianarana io mantsy, misy ihany koa ny fitarainana sy antso vonjy ataon’ireo mpianatra any ivelany tahaka ny any Russie, Indonezia,… noho ny tsy mbola nivoahan’ny vatsin’izy ireo avy amin’ny Fanjakana.
Toky R
 

Dans la même rubrique