Certificat d’études primaires élémentaires) natao omaly 16 jona 2026. Na nisy aza ny tranga maningana toy ny fibosesehana tetsy amin’ny LJJ Rabearivelo Analakely noho ny fitiavan-janaka, dia nilamina tamin’ny ankampobeny, tsy dia tena nahitana olana goavana toy ny resaka laza adina,… saingy nosembanin-drahona noho ny fisiana mpianatra roa (avy ao amin'ny Cisco Sakaraha sy Cisco Nosy be) namoy ny ainy. Voalaza fa narary tampoka ilay tovolahikely antsoina hoe RAZAFINDRAJOMA Christian 10 raha izy naterin’ny rainy, efa teny amin’ny faritry ny sekoly. Tsy maintsy nentina tamin’ny toeram-pitsaboana saingy tsy tana ny ainy. Mpiadina iray tany Nosy Be ihany koa no namoy ny ainy, saingy tsy mbola azo ny antony ofisialy. Nitondra teny fampiononana sy fiaraha-miory manoloana ireo tranga ireo ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena na ny MEN. Ho an’ity taom-pianarana ity, 583 463 no voasoratra anarana, saingy 12 400 no tsy tonga nanatrika fanadinana. Ny faritra Melaky no manana mpandray anjara vitsy indrindra, dia 3 927 monja, raha ny faritra Analamanga kosa no mitana ny isa ambony indrindra, hatramin’ny 89 552 mpianatra. Tamin’ny CEPE 2025, ny isan’ny voasoratra anarana dia 571 367 teo ho eo, ka manodidina ny 11 800 no tsy tonga. Midika izany fa niakatra kely ny isan’ny mpianatra voasoratra, nefa mbola mitohy ihany ny olana amin’ny tsy fahatongavan’ny ankizy amin’ny fanadinana . Ny faritra Analamanga dia mbola mitana ny isa ambony indrindra tamin’ny 2025. Tao amin’ny EPP Andoharanofotsy,CISCO Antananarivo Atsimondrano, no nanatanterahan’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena RAJAONARISON Sendra Nirina ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ireo fonosana voaisy tombo-kase misy ny lazadina ny fanadinana omaly. Anisan’ireo fepetra napetraka hiantohana ny mangarahara sy ny fahamarinan’ny fikarakarana ny fanadinam-panjakana ny fanatanterahana izany, hoy ny Minisitera. Nohamafisin’ny Minisitra fa tanjona ny hiantohana ny fitovian-jo sy ny fahafahan’ireo mpiadina rehetra manerana ny Nosy miatrika fanadinana ao anatin’ny filaminana sy ny fahatokisana, ka nanentana ireo kandidà mba hifantoka sy hanome ny tsara indrindra mandritra ny fiatrehana ny fanadinana. Nanotrona azy nandritra izany ny Minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy, ho mariky ny fifanohanana eo amin’ny Minisitera misahana ny fanabeazana eto Madagasikara. Hivoaka amin’ity herinandro ity ny vokatra ofisialy, izay nomarihina fa miankina amin’ny hafainganam-pandehan’ny fanodinana antontan-kevitra ataon’ireo CISCO tsirairay, arakaraka ny isan’ny mpianatra voakasika amin’ny faritra.
Toky R