airtel

Fampianarana

14-avril-2021

Fampianarana

Nitaky vatsim-pianarana Nahemotra ny fitsarana ireo mpianatry ny Polyteknika

Sample post image

Mihemotra ho amin’ny talata 11 mey 2021 eny amin’ny Fitsarana Anosy ny fotoam-pitsarana ireo mpianatry ny sekoly ambony

14-avril-2021

 

 

 

 Polyteknika Vontovorona izay tokony natao omaly. Telo mirahalahy izy ireo, mpianatra taona faharoa ao amin'ny sampana “Ingénierie pétrolière” ny iray, taona voalohany amin'ny sampana “Sciences et Ingénierie des matériaux” ny faharoa ary taona fahatelo amin'ny sampana “Sciences et Ingénierie des matériaux” ny fahatelo. Nosamborina ny marainan’ny 15 martsa 2021 teny Vontovorona izy telo mirahalahy ireo rehefa nanao fitakiana vatsim-pianarana efa-bolana sy fampitaovana ireo mpianatry ny Polyteknika. Natao famotorana tao amin'ny Tobim-paritry ny zandarimaria Fenoarivo ireo voasambotra, ary notohizana eny Ankadilalana ny alin’io avy hatrany ny famotorana. Natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana Anosy ny raharaha ny 16 martsa 2021. Taorian'ny fihainoan'ny Fampanoavana azy telo mirahalahy dia nalefan'ny Fitsarana nody ireto mpianatra ireto, fa amin'ny 13 aprily 2021 no fotoam-pitsarana, saingy io nihemotra io. Nisy fitadiavana tolo-tanana narahina tsipaipaika nataon’ny mpianatra nanangonam-bola nanakarama mpisolovava hiaro azy telo lahy ireo mandritra ny fotoam-pitsarana azy ireo. Nisy vola voaangona, ary efa nisy vola naloa mikasika izany.

 Jean D.

Dans la même rubrique