airtel

Fampianarana

04-juil-2023

Fampianarana

Nivoaka ny didy fNakatona ny EPP Ilanivatoa an'ny Katolika ny trano

Sample post image

Nivoaka ny didy fa an'ny Katolika ny trano misy ny EPP Ilanivato etsy amin'ny Boriborintany faha-4 eto Antananarivo.

04-juil-2023

Voatery nakatona noho izany io sekoly io, ary efa nafindra ny entana sy ny fitaovana. Voalaza fa nanomboka ny taona 1976 no nampanofain'ny Katolika mba hianaran'ireo kilonga ny trano ary ny CUA na ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no voalaza fa mandoa ny hofany aminy. Efa an-taonany anefa no tsy voaloa intsony izany hofany izany, ka izao niafara amin'ny fanakatonana izao. Mety hafindra amin'ireo sekolim-panjakana ireo mpampianatra. Ho aiza ny zanakay ? hoy kosa ireo raiamandreny.
Toky R
 

Dans la même rubrique