airtel

Fampianarana

03-févr-2022

Fampianarana

Noho ny rivodoza Miato ny fampianarana manomboka rahampitso

Sample post image

48 ora mialohan'ny 5 febroary 2022 tombanana hidiran'ny rivodoza Batsirai, nandray fepetra sy toromarika niainga tamin'ny Filankevitry ny Minisitra ny Fanjakana.

03-févr-2022

Antony ny fiomanana sy fisorahana. Nivahiny tao amin'ny fahitalavim-pirenena TVM ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Atoa Pierre Houlder omaly alina, nitondra ny toromariky ny Filoham-pirenena ny handraisana ny fepetra rehetra hiarovana ny ain'ny Mponina. Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra fa: Tsy mianatra ny mpianatra rehetra manerana an'i Madagasikara manomboka ny zoma izao. Ireo mpiasam-panjakana ao amin'ny faritra mena na "Zone Rouge" rehetra dia tsy miasa iany koa manomboka amin'ny Zoma. Ny mpiasa amin'ny orin'asa tsy miankina (privée) amin'ireo "zone rouge" dia tsy miasa saingy ankinina amin'ny mpitantana sy tompona orin'asa ny fandaminana izay sokajina mpiasa tsy maintsy hiasa ho fampandehanana ny orin'asa. Manomboka izao ny rehetra dia miomana, hoy ny toromarika. Nanentana ireo olona amin'ny faritra iva sy ireo mety hisy tany hihotsaka mba handray fepetra io Minisitra io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap
22-avril-2024

Tena mahatsiaro sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra indrindra

Card image cap