airtel

Fampianarana

11-oct-2021

Fampianarana

Nokleary sy ny lanjany ara-pampandrosoana Miara-miasa amin’ny AIEA i Madagasikara

Sample post image

Nisolo tena an’i Madagasikara amin’ny « E-journées nucléaires virtuelle » ny INSTN (Institut National des Sciences et Techniques Nucléaire).

11-oct-2021

 Hetsika ara-tsiantifika ho an’ny tontolon’ny nokleary izy io, nosokafana tamin’ny alalan’ny « visio-conférence » ny 8 oktobra teo, ka teny Fiadanana no nanaovana izany ho an’ny teto amintsika, nampitondraina ny lohahevitra hoe : “La contribution de la technologie nucléaire à la lutte contre les maladies zoonotiques émergentes et ré-emergentes (Covid19), le Kere, le changement climatique et l'instabilité énergétique à Madagascar". Tamin’ity taona ity moa, dia toerana telo no nizoran’izany : Madagasikara, Afrika Atsimo, ary tany Vienne izay misy ny Foiben’ny AIEA (Agence Intenationale de l’Energie Atomique), izay nikarakara ny hetsika. Marihina fa nanombooka ny 1976 isika no mpikamban’ny AIEA. Sehatra maro no niompanan’ny lohahevitra toy ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fampiasana ny radiothérapie amin’ny fitsaboana ny homamiadana ; ny fambolena amin’ny alalan’ny fampiroboana ny zezika ; ny rano amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ny mety ho fandotoana ; ny harena an-kibon’ny tany sy ny fepetra arahana eo anoloan’ny taratra mety hampidi-doza ; ny fambolena amin’ny alalan’ny fampivoarana ny famokarana ary eo ihany koa ny fahasalaman’ny biby,… Nandritra ny fanokafana ofisialy, nanipika ny maha zava-dehibe ny nokleary amin’ny fampandrosoana firenena iray ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nisy ihany koa ny fifanaovan-tsonia ny programam-pirenena mandritra ny 5 taona iaraha-miasa ara-teknika sy vatsian’ny AIEA. Tao anatin’ny 64 taona nisiany, nitondra ny anjara birikiny tamin’ny famahana olana mikasika ny maha olona hatrany ny AIEA. Nandray anjara tamin’ny famelabelarana ny ivon-toerana nasionaly maromaro : IMVAVET (L'Institut Malgache des Vaccins Vétérinaires) ; FOFIFA (Centre National de la Recherche Appliquée au Développement Rural), CNRIT (Centre National de Recherches Industrielle et Technologique.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap