airtel

Fampianarana

25-juil-2023

Fampianarana

Olana samihafa sy vatsim-pianarana Manome 72 ora ny mpianatry ny oniversite

Sample post image

Namoaka fanambarana niraisana ireo Filohan'ny Fikambanana pedagojikan’ny mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo ny andron’ny omaly 24 jolay 2023.

25-juil-2023

Nahitsy izy ireo nilaza fa nisy ny fifampiresahana kanefa tsy nahitana vahaolana ka manome 72ora hamahana ireo olana, izay misy teboka maro izy ireo. Voalohany amin’izany ny fitakiana ny hamoahana ny vatsim-pianarana izay tsy mbola azo tamin'ny taom-pianarana 2021-2022 (réclamation) ; famoahana ny vatsim-pianarana rehetra tsy mbola azo tamin'ity taom-pianarana ity 2022-2023 (réclamation). Mitaky ihany koa ny hamoahana ny vatsim-pianarana rehetra sisa amin'ity taom- pianarana izay diavina ity, takianay ny hamoahana io satria efa manakaiky hifarana ny taom-pianarana, hoy ireo mpianatra. Takian’izy ireo ihany koa ny hivoahan'ireo vatsim-pianarana rehetra ireo tsy hisy lesoka intsony fa ho voaray manontolo izany hoe tsy tokony hisy ampahany ho tavela intsony. « Ankoatra ireo, dia mbola takianay ihany koa ny fijerena akaiky ny resaka fotodrafitrasa manerana ny Oniversiten'Atananarivo rehetra ; anisany antoka iray mahatomombana ny fianarana sy ny fikarohana atao ety ny hahalavorarian'ny fotodrafitrasa sy ny kalitaom-pitaovana ampiasaina, koa manaitra ireo tompon'andraikitra mahefa rehetra izahay mba hijery sy hikaro-bahaolana amin'ny fanatsarana ny fotdrafitrasa ety amin'ny anjerimanontolo sy ny fampitaovana singanina manokana amin'izany ny resaka jiro tapaka lava », hoy ireo mpianatra. Mifanindran-dalana amin'izay, takian’izy ireo ny hanamafisana ny fandriampahalemana eny amin'ny faritry ny Oniversiten'Antananarivo izay hita sy tsapa fa lasa goragora. Ary farany nefa tsy kely indrindra, dia mangataka izahay ny tsy hisian'ny fahatapahan'ny fianarana intsony, efa tena lany taona maro ety ny mpianatra satria ny taom-pianarana dia lasa tsy tapitra araka ny fe-potoana tokony ho izy intsony, hoy ireo mpianatra izay naneho fa manantena ny fahendrena sy famahana olana ataon’ireo mpiandraikitra tandrify izany. Tsy ilaozan’olona ny fampianarana : ny bakalorea nisavoritaka, ny mpampianatra mpikaroka grevy lava, ny vatsim-pianarana olana mandavan-taona,…

Namoaka ny tetiandro handoavana ny vatsim-pianarana moa ny Minisiteran’ny fampianarana ambony miaraka amin’ny Minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra, ary ny Fiadidian’ny Repoblika,… ka afaka iray volana vao hanomboka satria any amin’ny faha-24n’ny volana aogositra.
Toky R
 

Dans la même rubrique