airtel

Fampianarana

31-mars-2023

Fampianarana

Olan’ny oniversite arirarira lava Rehefa tsy darohana, dia lotoina ny mpianatra…

Sample post image

Nihetsika indray ny mpianatra teny amin’ny Politeknika ESPA Vontovorona ny andron’ny omaly, taorian’ny 23 martsa

31-mars-2023

teo nisian’ny hetsika nahery vaika sy ny fidirana an-tsehatra nataon’ny mpitandro filaminana tany amin’ny faritry ny sekoly, nisian’ny herisetra sy ny fisamborana, tonga hatramin’ny fanaboridanana vehivavy. Ampiadiana amin’ny mpitandro filaminana! Io omaly 30 martsa io, nanamafy ny fitakiana vatsim-pianarana, saingy somary nilamindamina kokoa nitaha tamin’ny teo aloha. Nandoro kodiarana teo anoloan’ny vavahady , ary namelatra sora-baventy. Tao anatin’ny faritry ny sekoly ihany ireo mpianatra no tena nanao ny hetsika. Novoizin’ny vaovao mpiandany amin’ny fitondrana kosa fa tsy manaiky ireo mpitarika ny mpianatra amin’ny grevy, raha tsy omena vola 50 tapitrisa Ar na ho voaloa daholo aza ny vatsim-pianarana, na vita ny jiro sy trano dia hitarika grevy foana izy ireo mandra-pahatapitry. Fandotoana sy familiviliana resaka na “diversion” eo anatrehan’ny tsy fananana vahaolana io raha ny setriny avy amin’ireo mpianatra, ary tsy dingana famoahana ny vatsim-pianarana no tadiavin’izy ireo fa fandoavana izany miaraka amin’ny fampitaovana. Tsy fiandaniana amin’ny mpianatra fa moa ny fandotoana azy ireo ho mpanakorontana lava sy mpanao takalon’aina ve sisa no hany vahaolana taorian’ny fampiasan-kery? Marina fa mety manana ny fahadisoany sy ny fahalemeny ny mpianatra fa moa ho tonga amin’ny olana tahaka izao ve ny sehatry ny anjerimanantolo raha tena mahavita ny adidiny araka ny tokony ho izy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo amin’ny sehatry ny anjerimanontolom-panjakana? Mbola fampitoviana ny lisitra, lazaina fa tsy nifanojo,… hatrany no voalaza fa mampitarazoka ny famoahana vatsim-pianarana.

NIHETSIKA IHANY KOA NY TANY BARIKADIMY
Ny herinandro lasa teo, nihetsika nitaky vatsim-pianarana 5 volana miampy fampitaovana ny tany amin’ny Oniversiten’I Fianarantsoa. Omaly, raikitra ihany koa ny tany amin’ny Oniversiten’I Barikadimy Toamasina noho ny fahataperan’ny fe-potoana 48 ora nomen’izy hamoahana ny vatsim-pianarana 5 volana miampy fampitaovana. Dia mbola hosokajiana ho fanakorontanana sy misy ambadika politika ve ny fitakiana? Hiandrasana grevy hatrany vao tanisaina izao ambara fa dingana rehetra izao. Ao anatin’ny tapa-taona ve tsy voalamina ny lisitry ny mpianatra ara-dalàna? Tena ilay “digitalisation” ve no tsy voafehy sa ilay vola mihitsy no tsy misy na mbola mivily lalan-kafa? Fa angaha ny vatsim-pianarana tsy efa ao anatin’ny efa fandaniana raikitra na “charge fixe” ho an’ny Fanjakana no toa olana foana mandava-taona ary efa hifanarana ny taom-pianarana mbola tsy milamina? Ny vatsim-pianarana ho an’ny taon-dasa teo aloha aza toa mbola tsy nilamina?

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap