Mba amahana ny olana izay sedrain’ity toeram-pampianarana ambony ity ny antony izao fihaonana izao. Nifampidihan’izy ireo tao ny momba ny vatsim-pianarana izay efa nandrasan’izy ireo am-bolana maro. Ao ihany koa ny fanavaozana ny trano fonenan’ny mpianatra sy ny jiro izay efa an-dalam-panamboarana ary ny rano izay azo hifampiresahana amin’ny jirama. Nanamafy hatrany ny ministera fa azo atao tsara ny mifampiresaka amin’izy ireo , ary fifampidinihan’ny ray aman-dreny sy zanaka arahana anatra izany amin’ny mbola maha mpianatra azy ireo. Marihina moa ireo mpitarika fikambanana isan-tsokajiny eny amin’ny politekinika, Vontovorana mivondrona ao amin’ny FMPA no nanatanteraka ny fifampidinihana. Niarahan’izy ireo tamin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantsa, tao aorian’ny filohan’ny mpianatra pedagojika eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Princh Lucas (Miza-draharaha)
Nanomboka ny sabotsy 03 jona teo ny ilay “Cours maimampoana” atolotry ny depiote Todisoa Andriamampandry ho an’ireo tanora ao amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra.