airtel

Fampianarana

31-mars-2023

Fampianarana

Olan’ny vatsim-pianarana Mbola ampifanojoana indray hono ny lisitra e !

Sample post image

Mbola tsy mety milamina ny dingana hoenti-mamoaka ny vatsim-pianaran’ny mpianatry ny oniversitem-panjakana.

31-mars-2023

Ny 28 martsa 2023 teo, namoaka tatitra ireo “Secrétaires Principaux” avy amin’ny sampam-pampianarana sy fanofanana miisa 10 (facultés, écoles, instituts) mikasika ny fikirakirana ny lisitry ny mpisitraka vatsim-pianarana ho an’ny taom-pianarana 2022-2023, ka nilaza fa ny 17 martsa no natolotra ny mpitantana ny rindram-baiko na logiciel Edutic an’ny Minisitera mpiahy ny lisitra, mba hanaovana fanamarinana. Efa nankatoavin’ny Sekoly tsirairay tamin’ny alalan’ny kaomisionina nahitana ny Oniversite sy ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony ary ny Paositra Malagasy) io, ary nosoniavin’ny mpikamban’ny Kaomisionina, raha ny fanamarihana. Ny Kaomisionina voalohany dia ny an’ny ESPA izay nosoniavina ny 8 martsa lasa teo. Ny sabotsy 25 martsa 2023 no naharaisan’ny sampan-draharaha misahana ny vatsim-pianarana eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo ny valin’ny fikirakirana avy amin’ny tompon’andraikitry ny Logiciel Edutic an’ny Minisitera mpiahy mba hanaovana fanamarihana avy amin’ny sampam-pampianarana na “scolarités” isan-tokony. Nambara indray tao anatin’ny tatitra, fa nahita tsy fifandrifiana ireo “scolarité” teo amin’ny lisitra efa nankatoavin’ny Kaomisionina niraisan’ny tokotelo ny 8 martsa sy ny 17 martsa izay naverin’ny 25 martsa, raha ny tatitra. Nambara noho izany fa misy ny fanintsiana tsy maintsy entina manoloana ny olan’ny tsy fifandrifiana teo amin’ny lisitra. Tanjona ny hisian’ny antoka farany mikasika ny fahamarinana marin-drano tsy misy diso eo amin’ny lisitra farany mialoan’ny famoahana ny tetieendro fandoavana ny vatsim-pianarana ao anatin’ny fotoana fohy. Raha tsiahivina, nilaza ny Talen’ny Vatsim-pianarana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony ny 22 martsa, fa tamin’io fotoana ny fotoana farany nomena mba hanomezan’ny oniversite ny lisitra, kanefa tsy mbola nisy nahatonga izany ny Oniversite, raha ny fanazavana tamin’io. Miankina amin’ny lisitra anefa ny fanaovana ny “engagement” raha ny nolazaina tamin’izany. Efa ela ihany izay resaka lisitra izay sy “engagement” izay no noresahina foana, saingy hatramin’izao toa mbola olana foana, ka efa fandrirarirana no andraisan’ny mpianatra azy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap