airtel

Fampianarana

24-avril-2024

ONIVERSITE BARIKADIMY

Mpianatra 3 mpanaparitaka rongony tratra

Sample post image

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

24-avril-2024

ka nandray ny andraikiny ny Polisy. Mbola teo am-pikirakirana sy am-pifohana ireto zava-mahadomelina ireto indrindra ny efa-dahy no tra-tehaky ny Polisy ny Alatsinainy 22 Aprily lasa teo. Mpianatra ao amin'ny anjery manontolo barikadimy ihany ny telo lahy tratra nandray ireo zava-mahadomelina ireo ary naman'izy ireo ny mpitondra TUC TUC iray. Rongony 5 sachet milanja eo amin'ny 1kg eo sy fonosana rongony miisa 17 no tratra tamin'ireto mpamatsy zava-mahadomelina ireto. Fantatra moa fa hamatsiany ireo mpianatra namany sy ireo olona manodidina izany rongony izany ary saika isan’andro izy ireo no manao izany. Ilay mpitondra TUC TUC mpitatitra raha anjaran’izy telolahy kosa ny mitsinjara izany.
Pati
Legende : Ireo rongony saron’ny mpitandro ny filaminana !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap