airtel

Fampianarana

20-sept-2021

Fampianarana

Oniversite Hanomboka ny 4 oktobra ny taom-pianarana vaovao

Sample post image

Tontosa ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa teny Tsimbazaza ny fivorian’ireo filohan’ny oniversite sy ny tale jeneralin’ny IST

20-sept-2021

 na sampam-pianarana ambony momba ny tekinolojia ary ireo tomponandraikitra avy amin’ireo oniversitem-panjakana na CoPrIES, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Fivoriana nofaritan’ny lalana ho atao in-droa isan-taona moa izy ity, raha ny fampahatsiahivana. Ankoatra ny jery todika sy ny tsinjo ho avy momba ireo raharaha lehibe mahakasika ny tontolon’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa dia anisan’ny nandrasana tamin’ity fihaonana an-tampony ity ny fotoana idirana eny amin’ny onivesite sy IST manerana ny nosy. Tapaka fa ny 4 oktobra izao hatramin’ny 10 novambra 2021 no hanombohana ny taom-pianarana 2021-2022. Hatao any Fianarantsoa ny 18 oktobra 2021 ny fanamarihana ofisialy ny fanombohan’ny taom-pianarana. Araka ny toromarika dia afaka mandray ireo mpianatra afaka bakalorea tamin’ny taona 2020-2021 avokoa ireo oniversite sy sampam-pianarana ambony manana fahafahana hanao izany eo amin’ny fotodrafitrasa sy tolo-pampianarana. Noferana hatramin’ny 20 novambra izao ny fisoratana anarana. Nivoitra tamin’ity fivoriana ity koa ny resaka fifidianana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny amin’ny oniversite sy ny IST izay ho tontosaina manomboka ny 10 janoary hatramin’ny 11 martsa 2022. Ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Assoumacou Elia Beatrice, moa no nitarika ny fivoriana, raha ny fampitam-baovao hatrany. Fanontaniana mipetraka etsy an-kilan’izay ny hoe efa tomombana indray ve izany ny resaka fampitaovana sy vatsim-pianaran’ireo mpianatra sa sanatria grevy avy hatrany indray no hanomboka izay taom-pianarana vaovao izay?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap