airtel

Fampianarana

27-mai-2022

Fampianarana

Oniversite Miala nenina ny SECES

Sample post image

Nisy ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ireo solontenan’ny SECES manerana ny nosy raha ny tatitra nataon’ny SECES tetsy Ankatso ny alarobia teo ho

27-mai-2022

fikaroham-bahaolana dia ny fandravonana ny mety ho fanatsarana ny tolo-dalana momba ny fizakan-tenan’ireo oniversite sy ny toeram-pampiarana ambony ary toeram-pikarohana nasionaly eto Madagasikara. Nisy koa ny fifanatonana teo amin’ny filohan’ny andrim-panjakana HCDDED sy ny filohan’ny HCC ka nanomezany toky hoe mety hisy ny fihaonana na dia tsy fomba ofisialy aza eo amin’ny SECES, HCDDED, HCC. Manamafy ny fitokonana tsy an-kijanona ny SECES Antananarivo, hoy ny filohan’izy ireo, Pr Sammy Gregoire Ravelonirina, mandram-pisian’ny fanomezan-toky sy ny valiny mahafa-po amin’izay fahazoana antoka fa ho ekena ny fizakan-tenan’ireo oniversite, ny toeram-pampianarana ambony sy ny foibem-pikarohana nasionaly. Mitaky ny zo sy hasin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra voalazan’ny lalana ny SECES Antananarivo. Isany ny fanaovan’ny minisitry ny vola sonia ny serasera ara-bava mifanaraka amin’izany na “communication verbale conjointe” izay efa ela no tao amin’ny biraony. Ilain’ny SECES Antananarivo ny fisitrahana ireo toerana na “poste budgetaire” 571 isa izay efa tapaky ny fitondram-panjakana fa handraisana mpampianatra mpikaroka tena mampianatra fa tsy hoe akory ireo izay alefa fotsiny avy any ambony. Ny alatsinainy izao manomboka amin’ny 9 ora maraina no hiverina hivory ny SECES Antananarivo ahafahana manao jery todika sao mba misy ihany vahaolana avy amin’ny fitondram-panjakana ahafahany mandray fanapahan-kevitra irosoana amin’ny fampianarana indray satria mijaly loatra ireo mpianatra. Very fanahy mbola velona ny ray aman-dreny. Mikoroso fahana izay tsy izy ny fandaharam-potoana sy fandaharan’asan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Na mahafantatra aza ny SECES Antananarivo sy nasionaly fa fanapahan-kevitra politika no noraisin’ny HCC dia amin’ny maha mpanaja ny tany tan-dalana ny SECES dia miroso foana amin’ny famahana olana izy. Izay no nahatonga azy niezaka nanamboatra araka ny tolo-kevitra na mitombona na tsia eo amin’ny teboka miisa 5 tamin’ilay lalana momba ny fizakan-tena. Ala nenina ny an’ny SECES, hoy hatrany izy ireo.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap