airtel

Fampianarana

01-mars-2021

Fampianarana

Oniversite polytekinika ISM Advancea Namoaka manam-pahaizana miisa 161

Sample post image

Ny ankamaroan’ny tanora Malagasy nahavita ny fianarany teny anivon’ny

01-mars-2021

 

 

ambaratonga ambony dia sahirana amin’ny fitadiavana asa na misehatra amin’ny asa tsy mifanaraka amin’ny diplaomany.Tsy ho toa izany ireto andiany faha 11 nisalotra ny anarana « Amboara » izay vao avy nandrato ny fianarany tetsy amin’ny Institut Universitaire Polytechnique de Madagascar ISM Advancea Ambohijatovo ireto, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ity oniversite tsy miankina mifantoka amin’ny politekinika ity. 161 mianadahy ireo notolorana diplaoma ara-panjakana ny sabotsy teo tetsy amin’ny complexe CNAPS Vontovorona. Ny 55 isa tamin’izy ireo no nahazo ny « diplome de technicien superieur » na DTS. 70 nahazo ny « licence » ary ny 39 nahazo ny mari-pahaizana « Master ».Samy nanana ny lalam-piofanana narahiny avy ireto mpianatra ireto ka mahafehy avokoa ny tontolo misy azy avy, hoy ny talen’ity oniversite ity, Mamy Rafalinirina. Nanana fotoana nanomanana ny tohan-keviny ireto mpianatra ireto nandritry ny fotoanan’ny fihibohana ka azo notsapain-tanana ny vokatra. Ny 9 martsa izao no hisy indray ny fidirana manaraka ahafahana manaraka ireo fiofanana ao amin’ny ISM Advancea Ambohijatovo saingy noferana ny toerana mba ahafahana mametraka ny kalitaon’ny fampihofanana, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

Legende : Teny Vontovorona ny sabotsy teo

Dans la même rubrique

29-avril-2024

Izahay dia niofana tao amin'ireo CRINFP (Centre Régional de l'Institut National de Formation Pédagogique).

Card image cap