Sekoly ambony tsy miankina iray nahatsapa izany ny UPRIM na ny Université Privée de Madagascar ka tsy nanadino ireo mpiasa niara-dia taminy nandritra ny 10 taona mahery, raha araka ny fanazavan-dRakotovaoarison Haingo Nadia, filoha tale jeneraliny. Miisa 38 izy ireo no notolorana mari-pankasitrahana. Nosinganina manokana kosa ireo mpiasa miisa 6 mendrika indrindra ka fitsangatsanganana mandeha any Nosy Be no natolotra ny 5. Fitsangatsanganana ho an’olon-droa atsy amin’ny Nosy rahavavy Maorisy kosa no natolotra ilay nitaba ny laharana voalohany hahafahany misinda sy miala kely amin’ny asa mahazatra. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny ivon’ny faha-15 taona niorenan’ny sekoly ambony UPRIM avokoa izany rehetra izany. Hitohy amin’ny fanatsarana ny trano fianarana sy ny fitaovana hampiasaina izany ankoatra ny firosoana hatrany mankany amin’ny digitalisation. Tsiahivina moa fa namoaka mpianatra 400 mianadahy ihany koa ny sekoly ambony UPRIM. Misalotra ny anarana Fijilo, Mijoro ary Sahy izy ireo notolorana ny mari-pahaizana Licence, Master I ary Master II. Lalam-piofanana miisa 4 kosa no narahiny dia ny gestion et management, droit, communication ary ny commerce et marketing.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo mpiasa notolorana loka
Nanomboka ny sabotsy 03 jona teo ny ilay “Cours maimampoana” atolotry ny depiote Todisoa Andriamampandry ho an’ireo tanora ao amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra.