ny ady amin'ny kolikoly
Raha isany laharampahamehana ataon'izao fitondrana Fanavaozana tarihin'ny Kolonely Randrianirina Michaël izao ny ady amin'ny kolikoly dia ho isany taranja hianarana hahazoana mari-pahaizana Master io manomboka izao eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Misy indrindra ny atrik'asa mandritra ny roa andro nanomboka omaly Talata 10 novambra ary hitohy amin'ity Alarobia 11 novambra 2026 ity, iarahan'ny Oniversiten’Antananarivo sy BIANCO, momba ny fampidirana ny taranja iadiana amin’ny kolikoly, eny amin’ny Anjerimanontolo ho an’ny mpianatra manaraka ny mari-pahaizana Master. Mandray anjara amin’izany ny Mpandrindra ankapobeny ny Oniversiten’Antananarivo, Pr Andriambinintsoa Ranaivoson Tojonirina, izay nisolotena ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo miaraka amin'ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Anjerimanontolo, ny Talen’ny fanabeazana sy fisorohana eo anivon’ny BIANCO, Razarasoa Timoty, sy ireo mpiara-miasa aminy. Tanjon'ny atrik'asa ny hampahafantatra bebe kokoa ny mpianatra momba ny kolikoly sy ny voka-dratsiny. Hiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana manomboka ny taom-pianarana 2027 ny ady amin’ny kolikoly. Nisy moa ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Bianco maneho ny fiaraha-mientana amin’ny fanabeazana sy ny fisorohana ny kolikoly.
Nangonin'i Jean D.
Nandritra ny atrikasa