Nankalaza ny “Andron’ny Simia" na "Chemistry days” ny Oniversiten’Antananarivo omaly. Hetsika izay mbola tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Oniversiten’Antananarivo. Maro sosona no nentina nanamarihana izany teny Ankatso, teo ny fampirantiana nanehoana an-trano heva ireo vokatra avy amin'ny fikarohana, loabary an-dasy, hetsika ara-kolontsaina samihafa. Ary isany nanamarika ny hetsika omaly io ny famoahana ny andiany TARATRA. Ny simia moa dia anisan’ireo fanalahidin’ny fampandrosoana, indrindra eo amin’ny sehatry ny fikarohana, ao anatin’izany fanodinana fanafody, fitantanana ny rano, fikarakarana ny fambolena sy fiompiana sy ny maro hafa izay mitondra angovo ho an’ny indostria. Midika ireo fa manome lanja hatrany ny asa fikarohana izay mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena ny Oniversiten'Antananarivo. Nanome voninahitra ny hetsika ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Profesora Randrianasolo Rivoarison, ny Sojaben’ny Fakiolten’ny Siansa, Profesora Radanielina Tendro, ary ny Lehiben’ny Sampam-piofanana Simia, Dr. RIM Farasoa Helga.
Jean D.
Fanehoana ireo vokatra avy amin'ny fikarohana nandritra ny “Andron’ny Simia" teny Ankatso omaly