airtel

Fampianarana

30-juil-2026

Oniversiten'i Fianarantsoa

Hankalaza ny faha-50 taona niorenany

Sample post image

1976 - 2026, feno 50 taona ankehitriny

30-juil-2026

ny Oniversiten'i Fianarantsoa. Ara-tantara dia tonga teny Andrainjato, toerana misy ny Fakiolten'ny Siansa ankehitriny ny Praiminisitra Joël Rakotomalala ny 28 Jolay 1976, niaraka tamin'ireo mpiara-dia aminy nametraka ny "vato fehizoro" hanorenana ny Centre Universitaire Régional (CUR) tao Fianarantsoa. Ny sampam-pianarana Matematika no nanokafana izany ary 126 ny isan'ireo mpianatra. Na izany aza dia tao amin'ny Lisea Raherivelo Ramamonjy no natao ny fampianarana noho ny tsy mbola fisian'ny foto-drafitr'asa niorina. Niroso miandalana ny fanorenana trano fianarana. Manodidina ny 30 000 ny isan'ireo mpianatra ary 12 ny isan'ireo toeram-pampianarana ambony mandrafitra ny Oniversiten'i Fianarantsoa : Faculté EGSS, Faculté des Sciences, Faculté de Droit et des Sciences politiques, EMIT, ENS, ENI, ISST, ISTE, Faculté de Médecine, Institut Confucius, ESSG, Faculté des Lettres et des Sciences humaines.
Jean D.
Pr Rasoazananera Marie-Monique sy Pr Henri Rasamoelina namerina ny tantaran'ny Oniversiten'i Fianarantsoa
 

Dans la même rubrique