airtel

Fampianarana

23-juil-2026

ONIVERSITEN'I TOAMASINA

Fotodrafitrasa goavana maro no harenina

Sample post image

Natomboka omaly Alarobia 22 Jolay

23-juil-2026

ny asa fanarenana ny Oniversiten'i Barikadimy ao Toamasina. Tonga nitsidika ny izany ny Talen'ny Kabinetran'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa, ny Dokotera Ramahefasoa Barbin, niaraka tamin'ny Filohan'ny Oniversiten'i Toamasina, ny Profesora Razanakolona Diny izay tena faly tokoa, notronin' ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Oniversite Toamasina. Anisan'ny asa hatao amin'izany ny fanarenana ny lalana lehibe mirefy 1 km eo ho eo amin'ny alalan'ny simenitra izay vatsian'ny Fiadidian'ny Repoblika vola. Toraka izany koa ny fanarenana ny lalana faharoa mirefy 1,5 km hatao rarivato tohanan'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy vola. Ny fanarenana ny Demi-tonneau, vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena, FID, PROMA ary Banky Foiben'i Madagasikara vola. Ny fanarenana ny DOJO sy ireo toeram-pidiovana, tanterahin'ny SPAT ary ny fanadiovana faobe ny Campus mandritra ny 20 andro miaraka amin'ny fanohanan'ny FID. Ireo tetikasa ireo dia mikendry ny hanatsara ny foto-drafitrasan'ny Oniversiten'i Toamasina, mba hanomezana tontolo fianarana mendrika hianaran'ny mpianatra sy hiasan'ireo mpiasa.
Nangonin'i Pati
Légende : Nandritra ny fanombohana ny asa omaly !
 

Dans la même rubrique

23-juil-2026

goavana, misokatra ny fisoratana anarana

Card image cap
22-juil-2026

hosoka, roa hafa narary tampoka

Card image cap