Hoamaivanina ny fandraisana sy ny fanohanana ireo olona manana toe-tena varira 2 manovo fahalalana ao amin’ny Oniversiten’Itasy. Izany dia noho ny fifampiresahana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Filohan’ny Onivesiten’Itasy sy ny Minisiteran’ny mponina sy ny firaisankina. Tonga tany amin’ny Oniveristen’Itasy ny Talem-paritry ny mponina sy ny firaisankina Itasy Atoa Ramanantsalama Sandratra Antenaina Fidèle na Dassah sy ny ekipany nanatitra azy mianadahy ireto sady nampiditra azy ireo hianatra. Marihina fa maimaim-poana ny fidiran’izy ireo ao amin’ny Oniversiten'Itasy, ary mbola hiantohana ihany koa ny trano fonenan’izy ireo, indrindra moa ny fiarovana azy ireo izay arahina akaiky. Nambaran’ny talem-paritry ny mponina fa ezahana ihany koa ny hanampiana azy mianadahy ireto amin’ny fiainany any an-toerana. Ny Filohan'ny Oniversiten'Itasy teo an-daniny dia nanambara fa vonona ihany koa hikarakara an'izy mianadahy ireo ho lasa lavitra amin'ny fianarana. Maneho fisaorana ny fitondram-panjakana izy mianadahy ireo amin’izao fanampiana azy ireo izao ary vonona izy ireo ka manome toky fa hianatra tsara.
Pati
Légende : Izy mianadahy mañana toe-tena varira notronin'ireo tompon'andraikitra !