airtel

Fampianarana

01-juin-2022

Fampianarana

Oniversiten’Ankatso Lany vatsy ireo mpianatra avy any amin’ny faritra

Sample post image

Nitaraina taty aminay filohan’ny mpianatra avy amin’ireo faritra ny mpianatra mpikaroka mpikambana, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo teny Ankatso omaly.

01-juin-2022

Mangataka fifampiresahana amin’ireo tompon’andraikitra voakasika izahay noho izany, hoy ireto filohan’ny fikambanana ireto, mba hamaha ny olana. Matoky ny fahendren’ny tompon’andraikitra izahay mba hamaha ny olana misy ao anaty fotoana fohy izahay mba hialana amin’ny korontana lava miverimberina ety sy ny fahatapahan’ny fianarana. Sahirana izahay amin’ny fipetrahanay ety ary sahirana miheritreritra ny tokony atao izao. Te hanao zavatra hafa izahay saingy sahirana mandray fanapahan-kevitra satria lany vatsy. Andeha hody tsy fantatra raha hiverina tampoka ny fampianarana nefa lavitra no misy anay. Mba vahao re tompoko ny olanay fa sahirana izahay satria lany taona maro ihany koa ary ireo zandrinay vao afaka bakalorea sasa-miandry ao aoriana ao, hoy hatrany izy ireo .
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap