airtel

Fampianarana

19-mai-2022

Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Mandrahona hanao fihetsiketsehana ihany koa ny mpianatra

Sample post image

Mandon-databatra ireo Fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ankehitriny eo anatrehan’ny olana samihafa miteraka fitarazohan’ny fampianarana.

19-mai-2022

Mitaky ny hiverenan’ny fampianarana amin’ny tokony ho izy mba hitazonana ny tetiandro sy fandaharam-potoana voafaritra eny amin’ny anjerimanontolo. Nandefa taratasy miantefa amin’ny Filoham-pirenena, ny minisitra mpiahy, ny Filohan’ny oniversite, ary ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra noho izany izy ireo noho ny fiantraikan’ny tsy fivahan’ny olana samihafa amin’ny fianarana eny amin’ny oniversite. “Miantso ny famahana an’ireo olana maro mitarika fampikatsoana ny fampianarana izahay. Mila izany haingana dia haingana izahay mba hitazonana ny lamina ara-pampianarana efa nofaritana”, hoy ireo mpianatra. Mampahatsiahy hatrany moa ireo mpianatra fa tena lasibatry ny krizy satria fa am-bolana no nikatso ny fampianarana. Mitaky ny famerenana amin’ny laoniny fampianarana mba hahafahana manapitra ny taom-pianarana, ary ahafahana mieritreritra ny tohiny. Mitaky ihany koa amin’ny tompon’andraikitra mba hjery ny tetiandrom-pampianarana hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Isan’ny tena goavana ihany koa ny fitakian’izy ireo ny vatsim-pianarana am-bolana maro maro na “arriérés” amin’izao taom-pianarana itsahina izao, fa eo ihany koa ny tamin’ny taon-dasa. Isan’ny mampikatso ny fampianarana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo amin’izao fotoana izao moa ny fanaovana ny “oniversite maty” mba ho fitakiana ny fampananan-kery ny tolo-dalàna momba ny fizakantenan’ny oniversite izay notsipahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny fitakian’ny PAT (Personnel Administratif et Technique) izay mitaky ny karamany tara,… Mandrahona ny hanao fihetsiketsehana ny mpianatra eny Ankatso eo anatrehan’ny mety ho fitarazohan’ny famahana olana.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanomboka omaly 22 hatramin’ny 26 aprily ny herinandro maneran-tany ho an’ny fanabeazana,

Card image cap
23-avril-2024

Efa saika vita avokoa ny fandaharam-pianarana taonam-pianarana 2023-2024

Card image cap