airtel

Fampianarana

05-avril-2022

Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Mitaky ny karamany sy ireo tombotsoany ny PAT

Sample post image

Niditra tamin’ny fitokonana, ka nanakan-dàlana ny mpandraharaha PAT (Personnel Administratif et Technique) eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo omaly.

05-avril-2022

Nidina an-dalambe, nanao sakana, nandoro zavatra teo afovoan-dàlana mba hanehoana ny tsy fahafaliana. Anton’izany moa ny fitakiana karama sy ireo tombotsoa samihafa. Milaza ny PAT fa mbola tsy voaray ny karama volana martsa, raha toa ka eo amin’ny faha-25 andro amin’ny volana itsahina no fandoavana izany, saingy voalaza fa lasa ny faha-28 hatramin’ny faha-3 amin’ny volana aorian’iny no mandray karama. Efa 04 aprily anefa omaly, saingy mbola tsy nahazo ny karamany izy ireo, ary mitaky hatrany ny « indemnnité de technicité » tamin’ny volana novamdra sy desambra 2021. Saika nikatona avokoa ny ankamaroan’ireo birao sy sampan-draharaha teny amin’ny oniversiten’Antananarivo omaly.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap