airtel

Fampianarana

25-oct-2021

Fampianarana

Oniversiten’Antananarivo Miverina miasa ny mpandraharaha PAT

Sample post image

Hiverina hiasa manomboka anio alatsinainy 25 oktobra ny mpandraharaha PAT (Personnel Administratif et Technique) eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo.

25-oct-2021

 Nanambara izany ireo PAT ny faran’ny herinandro teo, ary naneho fahafaham-po eo anatrehan’ny fivalian’ny fitakiana. Nivoaka ny karaman’izy ireo roa volana izay notakiana, raha ny loharanom-baovao, ka izay no antony hitsaharan’ny fitokonana. Voalaza fa hisokatra manomboka anio indray ny vavahadin’ny oniversite, ary efa naneho ny hiverenan’ny fampianarana avy hatrany ny ankamaroan’ireo Sampam-pianarana sy departemanta manomboka anio alatsinainy. Raha hiverenana, dia nanomboka ny 4 oktobra hatramin’ny 11 novambra no nambara, fa fidirana ofisialy eny anivon’ny Oniversitem-panjakana. Ny 18 oktobra teo no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany amin’ny Oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa izany. Hilamina hatreo ve ny grevy sy ny fitokonana samihafa taorian’ny fandaminana sy ny fitokonana lavareny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap